Federasiona ny sekoly miahitena FEEPEM – Tsy maintsy mitabataba sy miteny ny maharary azy

Jen Raharinivo, mpitondra tenin’ny FEEPEM

Isambilo

Tsy mety ny mihiboka fotsiny tsy miteny ao anaty fahasahiranana, fa tsy maintsy miteny sy mitabataba izay maharary anay izahay, hoy ny avy amin’ny FEEPEM : Fédérations des Etablissements d’Enseignements Privés pour l’Education à Madagascar, na Fiaraha-Mientan’ny Mpisehatra amin’ny Fampianarana sy Fanofanana, ny Ambaratonga Fototra Isan-tsokajiny ary ny Ambaratonga ambony Miahitena eto Madagasikara.

Araka ny valan-dresaka nataon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety ny talata teo, tetsy amin’ny Restaurant Bon Acceuil Ambatonakanga. Nitarika izany valan-dresaka tamin’ny mpanao gazety izany ny mpitondra tenin’ny FEEPEM, Jen Raharinivo. Takian’izy ireo amin’ny fitondrana: amin’izao fampiatoana ny fampianarana ataon’ny fanjakana izao, tsy tokony hisy aloha ny fakana hetra, sy fandoavana jiro ho an’ireo sekoly tsy miankina rehetra, hoy ny fanambarany. Raha tena ho ajanona na hahiboka ny fampianarana, tokony hisy ny “mesure d’accompagnement”, na ny fanampian’ny fanjakana azy ireo. Tsy tokony hisy koa ny didikofehy lehibe, fa tokony hisy ny fifampidinihana, sy ny teny ierana amin’ity sehatry ny fampianarana tsy miankina ity, amin’izao olana eto amin’ny firenena, noho ny valanaretina coronavirus izao.

Milaza ihany koa izy ireo: “izahay Mpandraharaha, Tale Jeneraly, Mpampianatra, Mpampiofana ary ireo Mpiasa rehetra Mpisehatra mampandeha ny Fampianarana sy Fanofanana amin’ny Sekoly ISAN’AMBARATONGANY MIAHI-TENA (écoles-collèges-lycées-centres de formation-Instituts-Universités). Taorian’ny Filan-kevitra tsy ara-potoana ampitain-davitra notontosainay, manoloana ny toe-draharaha eto amin’ny tany sy ny firenena mahakasika NY MPAMPIANATRA ATY AMIN’NY SEKOLY TSY MIANKINA AMIN’NY FIATREHANA ny ady amin’ny COVID19 sy ny « varian sud Africain » ny 19 aprily 2021 (ary ho fanamafisana ny FANAMBARANA natao ny 11 mey 2020 sy ny FAMPAHATSIAHIVANA ny Fanambarana natao ny Talata 16 Mey 2020 tamin’ny taon-dasa ary ny fanambarana natao ny 14 aprily 2021, dia manao izao FAMPATSIAHIVANA izao indray izahay:
Izahay rehetra ireo dia resy lahatra tanteraka fa Kitro ifaharan’ny Fampandrosoana ny Fampianarana, ny Fanabeazana ary ny Fanofanana. Safidy efa voadinika sy lalim-paka izany ny anay raha nanangana sy nampandeha itony sekoly miahi-tena itony izahay, mba hanampiana ny Fanjakana eo amin’izany Asa Masina sy be voninahitra iantsorohany izany. Manaja ihany koa ny fisianay ny fahafahan’ny Ray aman-dreny mifantina ny sekoly miahi-tena, mba hampianarany sy hanofanany ny zanany. Miaina tanteraka ao anatin’ny « Etat d’Urgence Sanitaire » toy ny olom-pirenena Malagasy rehetra amin’izao fotoana izao izahay ary manaja tsara ihany koa ny « Fihibohana » na ny « Confinement », izay napetraky ny fitondram-panjakana. Efa ho fito (07) volana no nihibohanay tamin’ny 2020 ka Sempotra tanteraka. Amin’izao taona 2021 izao indray dia mbola mitohy izany. Efa nisy ny antsoantso fangatahana fihaonana natao ny 2020 nalefa tamin’ny alalan’ny Fanambarana, izay efa natao fa tsy mbola misy valiny hatreto.

Tsy afaka ny hangina intsony izahay manoloana ny zava-misy efa mihàtra aman’aina. Noho izany dia mitaky tsy misy hatak’andro amin’ny Fitondran-panjakana mahefa isan’ambaratonga voakasika izao ny hanampiana ny Mpampianatra aty amin’ny Sekoly Miahi-tena rehetra tsy ankanavaka. Anatsahatra ihany koa ny fitakiana ny hetra 2020 sy ny jirama 2020 amin’ny sekoly, satria tsy misy ny hanefana izany rehefa mikatona ny sekoly ary maniry ny hihaona amin’ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, toy ny Ministry ny Fampianarana Ambaratonga Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, ny Ministry ny Fanabeazam-pirenena sy teknika ary fanofanana arak’asa, ny Ministry ny fitatanam-bolam-panjakana, ny Praiministra ary ny Filohan’ny Repoblika. Izany fihaonana izany dia mba hahazoanay maneho sy mitaky mivantana zo maha olom-pirenena izany zavatra efa tena mihàtra aman’aina manjo anay izany sy ny hahafahanay mitondra vahaolana ihany koa ny amin’izao ady iombonana atrehin’ny Firenena izao, satria izahay no mahalala sy miaina mahatsapa ny maharary anay hahatafavoaka antsika miaraka soa amantsara. Araka ilay fiteny hoe « La meilleure forteresses des tyrans, c’est l’inertie du peuple », sy ilay hoe « Le monde ne sera pas détruit par ceux qui font le mal mais par ceux qui les regardent sans rien faire ».

Noho izany tsy hitazam-potsiny izahay manoloana izao zava-misy mitranga eto amin’ny firenena izao. MASINA NY TANINDRAZANA REHEFA MASINA NY FANABEAZANA”, hoy ny fanambarana nataon’izy ireo.