Mpitondra – Maranin-tsaina amin’ny fameriverezana dia ny vahoaka

Andry Tsiavalona

Manampahaizana manokana momba ny fampirevena sy ny fampiesonana ary ny famahanana voa manadino izao fitondrana izao, ka isaky ny misy zava-miseho, tsapany fa mampihozonozona ny sezany dia mahita zavatra hisarihana ny sain’ny vahoaka hatrany Rajoelina Andry.

Vita ny amin’ny fampielezan-kevitra dia nezahiny ny namiliviliana ny saim-bahoaka tsy hahatsiaro ireo fahotana mahafaty nataony nandritra ny tetezamita. Voalohany tamin’izany ny fanorenana “Colisée” ao Manjakamiadana, sy ny nanovana ny anaran’ny Rovan’i Manjakamiadana ho Rovan’i Madagasikara. Natao antsokosoko ny fananganana izany satria nofefena ny manodidina, ka tsy nisy nahafantatra raha tsy efa nihoatra ny halavan’ny tafo ny foto-drafitrasa. Efa somary hadinon’ny mponin’ Antananarivo ny fisian’io “Colisée” io amin’izao fotoana izao, ka heverina fa amin’ny ora tsy ampoizina dia ho tohizan’izao fitondrana izao ny asa fanorenana raha tena adino tokoa ny fisiany.

Tonga ny fotoana nidiran’ny valanaretina noho ny fahataran’ny mpitondra teo amin’ny fandraisana fanapahankevitra tamin’ny fanidiana ny sisintany. Nanao vedetisma indray Rajoelina Andry momba ny nahitana ilay fanafody CVO, ka nanambarany, fa aty Madagasikara ny mason’izao tontolo izao. Neveriny fa adinon’ny Malagasy tamin’ny alàlan’ny fanambarana ny tandrevaka nataony. Tsapa amin’izao fotoana izao, fa na mbola mitohy aza ny fandokafana ny CVO dia tsy misy miraharaha intsony, fa mifandrombaka any amin’ny Ed1 ny vahoaka rehetra.

Ny manaraka nandrebirebena ny saim-bahoaka ny fanafoanana ny Antenimierandoholona satria hono mandany vola (budgétivore). Ny zava-nitranga anefa dia vao tonga teo amin’ny fitondrana izy dia namorona lalàna nentina nampihena ny isan’ny mpikambana ho valoambinifolo (18). Raha ny tokony ho izy anefa dia fara-faharatsiny roambiroapolo mitovy amin’ny isan’ny Faritra satria ny loholona no Andrimpanjakana miandraikitra ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana. Ny tena zava-doza dia be lavitra noho ny vola nampiasain’ny teloambienimpolo (63) loholona ny tetibola nomena ireo naman’ny mpitondra voafidy. Ary na tsy ampy aza ny mpifidy vaventy nifidy ny loholona dia naroso ihany ny fifidianana. Tsy nisy azon’ny vahoaka natao kanefa azo inoana fa mbola ho avy ny fotoana ampahatsiahivan’ny vahoaka izany fanitsakitsahan’izao fitondrana izao ny Lalàna fototra. Na izany na tsy izany anefa dia maro an’isa toy ny eny amin’ny Antenimierampirenena ny loholona ka tsy ho gaga isika raha izay lalàna rehetra handalo ao amin’ireto rafitra roa mpanao lalàna ireto dia ho lany zato isan-jato avokoa.

Amin’izao fotoana izao dia mirongatra izay tsy izy ny valanaretina covid-19, ka samy manana ny fahitany azy ny mpamakafaka rehetra. Ny andaniny mahita fa noho ny tandrevaka sy ny tsy fahaiza-manaon’ny mpitondra no mahatonga izao valanaretina izao hahazo laka. Marina izany raha jerena amin’ny tarehimarika avoakan’ny fitondrana isan’andro. Tsy tokony ho hadinoina anefa fa mampisalasala ihany raha mahavita fitiliana efa ho amin’arivony isan’andro tsy toy ny tamin’ny taona lasa. Enimbolana anefa no nihiboka ny vahoaka tamin’izany ary be lavitra noho ny tamin’izany ny tratry ny aretina amin’izao fotoana izao, kanefa dia fihibohana ampahany no misy, roa andro ao anatin’ny herinandro.

Araka izany dia familiviliana ny saim-bahoaka indray izany, satria efa tsy ao an-tsain’ny ankamaroan’ny vahoaka indray ilay volamena navoakan’ny mpitondra, tsy antsokosoko, fa tena fanahy iniana mihitsy. Azo lazaina izany fa tena kinga ara-tsaina tokoa izao fitondrana izao rehefa mitady ny voamanadino asainy leran’ny olompirenena. Na inona na inona mitranga eo amin’ny sehatra politika dia tsy azo ekena ny fanadinoina ny fahotana mahafaty nataon’ny mpitondra. Koa na tsy fahaiza-manao na fanahy iniana natao izao fandetehana ny Firenena ao anaty lavaky ny fahantrana izao dia tsy maintsy haverina amin’ny laoniny, na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana.