Fitantanana ny valanaretina – Tsy voafehy matoa resaka fasana no maha maika

Ny Valosoa

Azo lazaina fa nisongadina tamin’ny tafa nataon’ny filoha Andry Rajoelina tamin’ny vahoaka Malagasy ny alahady teo, fa resaka fasana aloha no noresahany sy ny naha maika azy fa tsy vaksiny. Ny dikany, tsy voafehy ny fitantanana ny valanaretina covid-19 eto amintsika matoa resaka fasana indray no lasa voaresaka mialoha, fa tsy ny fisorohana sy ny fiarovana mahakasika ny hahatongavan’ny vaksiny haingana eto amintsika.

Tsindrindaona ny vahoaka malagasy niandry izay nolazain’Ingahy Filoha tamin’ny alahady 18 Aprily 2021 teo, izay marihina fa tokony ho ny Sabotsy 17 Aprily 2021 no natao ny fanambarana, satria io Sabotsy io no feno tapabolana ny nandraisany fitenenana farany. Tsetsatsetsa tsy aritra ihany iny, fa ny nandrasan’ny vahoaka fatratra dia ny mikasika ny vaksiny, fa toa mangatakandro lava ny fitondrana.

Raha tsiahivina dia efa tamin’ny 07 Desambra 2020 ny fepotoana farany fangatahana ny vaksiny tamin’ilay antsoina hoe « initiative covax » ho an’ny firenena madinika, nahavita izany avokoa ireo tany Afrikana maro, f’isika malagasy no nitavozavoza sady niavonavona nanao tsinontsinona ny tolotanana avy amin’ny « Oms », na ny Fikambanan’ny Firenena Mikambana misahana ny fahasalamana. Ny 17 Martsa 2021 tao anatin’ny fandaharana “Miara-manonja “ dia nanitrikitrika ny Filoha Ravalomanana, fa tsy maintsy hiova hevitra ny fitondrana ary hiroso amin’ny fanafarana vaksiny .

Raha nitafatafa tao amin’ny haino amanjery Ingahy Filoha ny Sabotsy 20 Marsa 2021 dia mbola niedinedina nanambara, fa tsy ilaina ny vaksiny, ary raha tonga hoy izy ny vaksiny dia ireo mpanohitra no hatao voalohany, izay marihina fa niendrika esonteny izany. Tapabolana taorian’io ny, Sabotsy 03 Aprily 2021 dia niova hevitra araka ny efa nambaran’ny Filoha Ravalomanana Ingahy Rajoelina, fa hanafatra vaksiny indray hono, ka ny miaramila sy ireo mpiasan’ny fahasalamana indray no hatao vaksiny voalohany.

Velombolo ny vahoaka malagasy satria hisy ihany ny tsirim-panantenana, ary efa nisy mihitsy aza ny feo nivoaka avy tamin’ny mpitondra, f’efa hita ny karazam-baksiny roa hafarana, ary efa mikarakara ny antontan-taratasy momba izany ny ministera miadidy ny fahasalamana. Akory anefa ny fahatairana raha nandre ny fanazavana avy amin’Ingahy Filoha, fa mbola amin’ity herinandro ity indray vao handinika sy handray ny fanapahan-kevitra farany ny Akademian’ireo Mpitsabo, ny dikan’izany dia mbola aorian’izay vao tena hiroso tanteraka amin’ny ambaratonga samihafa fanafarana ilay vaksiny isika malagasy. Araka ny re ny faran’ny herinandro teo nambaran’ny ao amin’ny ministeran’ny fahasalamana anefa dia any amin’ny tapaky ny volana jolay any vao ho tonga eto amintsika ny vaksinin’ny covid-19.

Ankoatra izany, nanaitra ny nanambaran’Ingahy Filoha Rajoelina fa efa vonona ny toerana roa hanaovana ny fasana ho an’ireo lavon’ny koronaviriosy, ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina , midika ve izany fa na ny mpitondra aza dia tsy mahatoky ny vokatry ny fitantanana ny fitsaboana ny aretina , ary efa miomana ihany koa fa tsy hivaly vetivety ny fangataham-baksiny.

Tsy azo sangiana ny fasana eo amintsika malagasy, misy ny fomba amam-panao izay tsy azo tsinontsinoavina momba ny fanorenam-pasana, tsy finoanoampoana akory ireny, fa soatoavina nahitana traikefa, amin’ny fahendrena, ny fomba fanao raha mahavita fasana ny fianakaviana iray dia tsy maintsy asiana vatan’akondro aloha ao anatiny ary razana maina no ampidirina ao vao azo andevenana, f’ity ataon’ny fitondrana toa fasana tonga dia miandry mahazo, satria na ny mpanorina azy aza tsy mahatoky ny fandraisany andraikitra amin’ny fiatrehana ny koronaviriosy, sady toa efa mahalala fa tsy ho tonga vetivety ilay vaksiny, ny fanampiana ara-tsakafo rahateo moa efa tsy misy tokontaniny intsony, k’izay tsy lavon’ny aretina azeran’ny hanoanana. Tsy tonga tao an-tsain-dRajoelina sy ny forongony ve fa ratsy amintsika Malagasy izany resa-pasana izany, indrindra ny fasana vaovao: “alaviro toy ny fasam-bao”, hoy ny fomba fiteny iray izay!