Fampidirana amponja ireo mpamonjy Miara-manonja – Ho vita ihany ny 3 volana fa asakasak’ireo mpanagadra

Ny Valosoa

Tandravadikoditra amin’ny fitondrana Rajoelina ny fampidirana amponja ireo heverina fa tsy nanao heloka , na tamin’ny fitondrana tetezamita izany na amin’izao efa fitondrana lazaina fa ara-dalàna izao.

Iza no tsy mahatadidy ny fampidirana amponja tamin’ny fotoanan’ny tetezamita ireo mpanao gazety toa an’i Evariste Ramanantsoavina sy ireo avy ao amin’ny Radio Fahazavana, indroa miantoana, ny nanagadrana tany Ambatolampy an’Andriamatoa isany Fetison Rakoto Andrianirina, Zafilahy Stanislas, Pasitera Edouard Tsarahame. Tsy ireo ihany, fa maro tsy tambo isaina ireo nampidirina teny Antanimora noho ny fahasahiana nijoro niady nitaky ny fiverenenan’ny Filoha Ravalomanana.

Fa amin’izao Repoblika fahaefatra sy efa nahavoafidy an’Ingahy Rajoelina ho Filoha neken’ny Fitsarana Avo Momba ny Lalampanorenana izao, dia tsy mbola mitsahatra ny fampidirana amponja ireo tsy mitovy hevitra, ny miavaka indrindra dia ny fitazonana an-tranomaizina an’izy 9 mianadahy, izay nikasa hanatrika ny tatitra nokasain’ireo solombavambahoaka avy eto Antananarivo Renivohitra notanterahina ny Sabotsy 20 Febroary 2021, tsy nisy ny vakitrano, na fiara nirehitra na rà latsaka, na olona naratra teny Analakely, saingy nisy ireo voasambotra satria niakanjo mena, lokon’ny “Miara-manonja”, ka tsy maintsy nandraisana fepetra hentitra. 3 volana an-tranomaizina sazy mihàtra no didy navoakan’ny fitsarana.

Nisy ny fanambarana nataon’ny Filoha Ravalomanana, naneho ampahibemaso ny fanaparampahefana, kanefa tsy te hahalala izany ny fitondrana fa miziriziry hatrany.
Afaka iray volana eo dia tsy maintsy ho tapitra ny telo volana nodidian’ny fitsarana, antenaina fa hahazaka ny iray volana sisa avokoa izy 9 mianadahy ireo, ary hivoaka ny fonja amin’ny 20 Mey 2021 izao, mafy tokoa izany hoe nigadra noho ny heloka tsy natao sy vokatry ny fanaparampahefana , saingy fantatra ihany koa fa manana ny herintsaina sy herimpo ary herimpanahy ireo nogadraina tsy an-drariny ireo , satria mahatsapa izy ireo fa nahavita adidy ho an’ny tanindrazany sady tsy nahatsiaro irery izy ireo, satria tsy namela azy ireo sy ny fianakaviany ho irery ny Filoha Ravalomanana sy ireo Solombavambahoaka avy amin’ny “Miara-manonja”, ireo namana rehetra tsy manary amin’ny andro sarotra, na ny avy eto antoerana na ireo mpiray tanindrazana avy any dilambato nahafoy vola aminkarena niara-niasa tamin’ny Vehivavy “Tiako i Madagasikara” (TIM) avy eto Analamanga, izay nanao vaindohandraharaha ny fanampiana amin’ny fomba rehetra ireo voafonja, sady nankahery azy ireo hatrany sy nitondra am-bavaka ny fiatrehan’izy ireo ny tsy rariny nihàtra tamin’izy ireo.

Ho tapitra tsy ho ela ny iray volana sisa tavela, ho raisina amim-boninahitra ireo nogadraina tsy meloka, fa ny an’ireo mpanagadra kosa manomboka amin’ny andro ivoahan’izy 9 mianadahy dia hitambesatra eo an-dohan’izy ireo isan’andro ny nataony tamin’ireo tsy manan-tsiny ireo.