Fitsaboana ny coronavirus – Tsy maharaka ny fanafody zarain’ny fitondrana

Helisoa

Mitaraina ireo olona voan’ny aretina CORONAVIRUS, fa tsy misy ny fanafody eny amin’ny tobim-pahasalamana izay nampanantenan’ny fitondràna TGV, fa hoe misy ny fanafody omena maimaimpoana ny marary hiadiana amin’ny valanaretina covid-19. Nisy ny fanambaràna an-gazety sy teny amin’ny tambazotran-tserasera fa misy mivarotra lafo ireny fanafody tokony ho zaraina fotsiny eny amin’ny toeram-pitsaboana ireny. Mety ho marina izany filazàna izany, fa ny zavatra hita dia lasa fialàna pà araka ny fitenin’ny tanora indray ny filazàna izany, satria hita sy tsapa fa tsy maharaka ireo fanafody zaraina ireo.

Amin’ny faritra sasany toy ny any Antsiranana aza araka ny vaovao voaray dia vidiana izany fanafody izany, tsy marina ny filazana fa maimaimpoana. Zara aza misy azo ialàna fa tsy tompon’andraikitra ny fanjakàna, amin’ny tsy fahampian’ny fanafody ankehitriny. Ny zavatra hita anefa dia tsy ahitàna ireo fanafody ireo ihany koa eny amin’ny farmasia izay vidiana vola be koa amin’izao fotoana izao.

Ny filoha Rajoelina anefa etsy andaniny mampanantena fa ampy ny fanafody, ary omena maimaimpoana, toy izany koa ny scanner. Tsy azo ekena hoy izy ny fanararaotana amin’ny fanafody CORONAVIRUS. Raha betsaka io fanafody io Andriamatoa filoha dia tsy nifampitadiavana toy izao! ianareo mpitondra fanjakàna no tompon’andraikitra voalohany, fa aza ailika hoe lasa any amin’ny varomaizina ny fanafody. Ny fanaraha-maso ataon’ny fanjakàna no tsy misy, fa raha hentitra ny fitondrana tsy tokony ho hisy an’izany.