Lalaina Rabezanahary – Hizaka ny tsy eran’ny aina indray ny sekoly tsy miankina

Isambilo

Manoloana ny fikatonan’ny sekoly amin’izao fotoana, noho ny valanaretina coronavirus, milaza ny heviny ny talen’ny sekoly tsy miankina Les Rossignols, Lalaina Rabezanahary.

Hizaka ny tsy eran’ny aina indray ny sekoly tsy miankina hoy izy amin’izao hamehana ara-pahasalamana izao.

“Tsy hisy hivaky loha amin’ny sekoly tsy miankina indray ve ny mpitondra?

6 volana tamin’iny taom-pianarana lasa 2020 iny, niaina tao anatin’ny sarotra ny Sekoly tsy miankina. Nampitrosaina vola tao amin’ny CNaPS no hany mba vaha olana hitan’ny mpitondra. Zavatra tsy rariny ny toy izany. Niezaka nifampiraharaha tamin’ny Ray aman-dReny ny mpitantana, saingy ny Ministera tamin’izany indray no toa nitsivalana nalaina, na ny nanentana ny Ray aman-dReny aza tsy nataony.

Vokany : betsaka ireo sekoly nikatona ary betsaka ny zaza nitsoaka an-daharana hatramin’izao.

Ampy kosa izay amin’ity indray mitoraka ity. Tsy hanaiky fanapotehana ny fanabeazana izay intsony izahay tompon’andraikitra amin’ny sekoly tsy mainkina.

Ampy izay, tsy hilefitra ary hitaky hatramin’ny farany izahay ny mba hijeren’ny fanjakana ity sehatra iray ity. Sehatra izay manana ny anjara toerany lehibe, satria isan’ny filamatra tsara raha mbola vokatra sy fahaizana eto amin’ny Firenena, nefa dia izao no anaovana azy.

Dieny mbola vao hanomboka ity raharaha ity dia efa mampaneno kiririoka izahay, aleo mba ho jerena ny vaha olana maharitra, fa tsy ho zaka intsony, raha trosa 7 volana lasa teo efa nozakaina mbola hampiana indray.

Tsy miteny aho eto hoe ampianaro ny mpianatra, saingy jereo ny sekoly sy ny mpanabe ao aminy, satria ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra koa sahirana ankehitriny.

Aza mialokaloka amin’ilay hoe Vacances de Pâques lavareny, fa efa fantatray ny ho tohiny, satria tsy hisy fitsaharany indray io raha tsy any amin’ny Grandes Vacances raha izao zava-misy izao. Aza araraotina izahay mpanabe, fa mba hasio hasiny ihany tompoko fa aza atao filan’ny tsy mahita isaky ny propagandy.

Manantena izahay fa hijery manokana ity raharaha ity ny mpitondra.

Aza miandry “sarom-bilany variant 2021” re tompoko sao ho loza no iafarany! Aleo dieny izao mifampiresaka.

Farany, tsy vatsy tsinjo no ilaina, fa vahaolana maharitra. Averiko indray tsy vatsy tsinjo, fa vaha olana maharitra”.