Barea an’i Madagasikara – Mbola tsy tara raha izao no esorina i Dupuis

Lita

Mbola mitohy ny resabe eo amin’ny baolina kitra, indrindra ny mahakasika ny ekipam-pirenena Malagasy dia ny Barea an’i Madagasikara, tao aorian’ny tsy nahatafakatra antsika ho amin’ny dingan’ny famaranan’ny CAN 2022 hatao any Cameroun. Araka ny fanehoan-kevitra voaray, mbola tsy tara, na tsy tratra aoriana ny tompon’andraikitra eo amin’ny baolina kitra eto Madagasikara, sy ny ministera tompon’andraikitra dia ny ao amin’ny ministeran’ny fanatanjahantena, raha izao no esorina ny mpanazatra Nicolas Dupuis, noho ny tsy fahombiazany nisesisesy farany tamin’ny fitantanana ny ekipam-pirenena Malagasy, ka nampihintsana antsika tamin’izaany CAN 2022 izany, izay nantenain’ny rehetra tokoa.

Eo amin’ity sehatry ny baolina kitra ity, fomban’ny firenena efa mandroso eo amin’ny kitra ny manala avy hatrany ny mpanazatra tsy nahitam-bokatra. Ny an’ny sasany aza aorinan’ny 90 min mihitsy dia mifampitso-drano. Vola no miala ary vokatra no tadiavina, ka rariny raha tsy mitsitsy ny olona eo amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra. Ny antsika, olona efa lalao 6 no nitondrana tsy fahombiazana dia mbola fikirina ihany.

Mbola amin’ny volana jona any vao hiatrika ny fifanintsanana amin’ny Mondial ho avy eo amin’ny baolina kitra indray ny Barea ao amin’ny vondrona misy azy, noho izany, mbola tsy tara isika raha amin’izao fotoana izao no manala an’i Dupuis, ka mijery mpanazatra tsaratsara kokoa indray, na teratany Malagasy io, na vahiny no hisolo azy dia tokony hety avokoa.