Filoha Ravalomanana – Loza mitatao ny tsy fanomezan’ny fitondrana hasina ny Fitsarana

Nangonin’Isambilo

Nisy ny fanambarana nataon’ny filoha Marc Ravalomanana omaly, novakiana tao amin’ny fandaharana Miara-manonja, izany dia amin’ny maha-ray aman-dreny teto amin’ny firenena azy, sy amin’ny maha-filoha teo aloha an’i Dada ihany koa :
« Manoloana ny zava-misy eto amin’ny firenena mahakasika ny didy navoakan’ny fitsarana ady heloka tsotra, ka nanasaziana telo volana an-tranomaizina sazy mihàtra azy 9 mianadahy tamin’ireo 11 nosamborina ny 20 febroary 2021 lasa teo; manoloana ny didy izay navoakan’ny Conseil d’Etat mahakasika ny fifidianana Ben’ny tanàna tao Nosy be, kanefa dia namoahan’ny minisiteran’ny fitsarana « arrêté ministeriel, ho fampiatoana izany didy izany, izaho Marc RAVALOMANANA, tsy amin’ny maha lehiben’ny antoko mpanohitra ahy, fa amin’ny maha Filoham-pirenena teo aloha sy maha Ray aman-dreny ahy dia manao izao fanambarana izao:

Voalohany : mivoaka ny « Rariny sy ny Hitsiny » ary ny «ara-dalàna» (principe de légitimité et de légalité) ny fanjakana amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra eto amin’ny firenena, ka mampiasa ny fahefana nampindramin’ny vahoaka azy hamoretana ny vahoaka malagasy. Tsy heloka ny fanehoan-kevitra ara-politika ao anatin’ny fifanajana, tsy heloka ny manao akanjo na lokon’akanjo izay tian’ny tsirairay, fa safidy izany. Tsy nanakorontana na nanimba zavatr’olona na nanohitra mpitandro filaminana ireo 11 miandahy nosamborina, ka nampidirina am-ponja vonjimaika ary nogadrainareo ireo. Tsy nisy fampitandremanana na «sommation », izay nataon’ny tompon’andraikitra tokony hanao izany mialoha, ny fandravana fihetsiketsehana sy fisamborana ataon’ny mpitandro filaminanana araky ny voafaritry ny lalàna velona.

Faharoa : ny fitsabatsabahan’ny fahefana mpanatanteraka amin’ny asan’ny fahefana mpitsara dia fanitsakitsahana ankitsirano ny demokrasia, sy ny « principe de séparation de pouvoir », ka mahatonga ny tsy fisian’ny Fanjakana tan-dalàna.

Fahatelo : mahakasika ilay raharaham-pifidianana ben’ny tanàna tao Nosy be, izay efa namoahan’ny Conseil d’Etat didy raikitra kanefa dia tsy afaka notanterahina izany noho ilay fanapahan-kevitra noraisin’ny Minisitry ny fitsarana dia tiako ny manamarika, fa loza mitatao eto amin’ny firenena izany satria dia tsy omen’ny fahefana mpanatanteraka ny hasiny intsony ny fitsarana eto Madagasikara, koa na inona na inona fanapahan-kevitra raisin’ny fitsarana dia zava-poana izany, fa ny mpanatanteraka dia afaka manao izay tiany hatao, satria izy no mibaiko sy mandidiy eto amin’ny firenena.

Tsy mahagaga noho izany raha tsy mipetraka intsony ny maha « juge de droit et de faite » anareo Mpitsara, fa lasa « jugé d’inculpations » ianareo, koa izay baikon’ny mpanatanteraka no arahinareo. Manoloana izany loza mitatao eto amin’ny Firenentsika amin’ny fanitsakitsahina ny zo maha olona sy ny tsy fanajana ny andrim-panjakana misy , faritan’ny lalam-panorenana sy ny lalàna velona eto amin’ny firenenana dia manao antso avo aminareo mpitsara, mba tena hijoro amin’ny maha ianareo anareo, ka hitsara araka ny zava-misy sy ny feon’ny fieritreretanareo ianareo. Manaraka izany dia manao antso avo ihany koa ny tenako amin’ireo fiarahamonim-pirenenana, ireo fikambanana miaro ny zon’olombelona, mba handraisanareo ny andraikitrareo, ka ho sahy mamaky bantsilana ny tsy rariny rehetra sy ny famoretana ny vahoaka malagasy izao, mba hahafahantsika miaraka miaro ny Demokrasia sy ny Fanjakana tan-dalàna. Homba antsika Andrimanitra ».