Gadra politika 9 mianadahy – Tsy rariny ny sazy 3 volana ho azy ireo, hoy ny Vehivavy TIM

Helisoa

Nanantena ny Vehivavy TIAKO i MADAGASIKARA (TIM), fa hivoaka ny fonja avokoa izy 11 mianadahy ny ny talata 13 aprily lasa teo . Kanjo diso fanantenana, fa ny 2 ihany no nahazo fahafahana madiodio dia i Randriamboavonjy Roger, sy Serge Rakotonarivo.

Izy 9 mianadahy ambiny kosa : Ramamonjisoa Daniel, Rakotoarimanana Judicael; Rakotomalala George Lynah, Randrianarimanana Haja Tahiry, Ramiaranjatovo Fanantenana, Rabenandrasana Joseph Michel, Rakotoarisoa Jean Felicien, Rakotomanana Parfait, Randrianarimanana Roger kosa dia mbola niverina any am-ponja nahazo sazy mihàtra 3 volana. Izany hoe mbola misy 45 andro izany ireto farany vao hivoaka ny fonja. Ny kolonely misotro ronono iray momba ity raharaha ity, amin’ny herinandro io no hivoaka ny didim-pitsaràna mahakasika azy.

Manoloana izany indrindra dia mitohy ny hetsika ataon’ny Vehivavy TIM hitadiavana vola hoentina hanampiana ireo gadra politika tratry ny famonjana tsy ara-drariny ireo. Hisy indray ny fanangonana vola izay voatsirambin’ny tanana hoentina hanampiana azy ireo; ka ho atolotra manontolo an’ireo gadra politika ireo ny vola rehetra izay ho voahangona amin’izany.

Marihina fa hatao ao anaty mangarahara tanteraka izay fanampiana rehetra ho azo amin’izao hetsika atao izao. Izay mila fanampi-panazavana dia afaka miantso ny: 0347907600.