RMDM Melaky – Tsy omby ny Hopitaly, ireo misy fahasarotana sisa raisiny

Stefa

Fiatrehana ny valanaretina coronavirus any amin’ny faritra Melaky, milaza ny vondron’ny mpanohitra any an-toerana: ny RMDM Melaky, fa izay marary misy tranga fahasarotany sisa raisina any amin’ny Hopitaly, fa ny antsoina hoe cas positif, na ireo mitondra ny tsimokaretina, dia ampodiana any an-trano satria tsy omby ny hopitalibe.

Lany ny fanafody manokana sasantsasany ho an’ny corona. Lany ihany koa ny fanaovana test na fitiliana hoy ihany ny fanambarana. llay dokotera nitsabo tany an-toerana koa dia tafiditra hopitaly, satria dia voan’ny covid19. Tsy mbola nisy fanampiana toy ny vatsy tsinjo, aro vava sy orona, sns… hatramin’izay ka hatram’izao any amin’ny faritra Melaky. Andanin’izany hoy izy ireo, ny vidimpiaina tsy zaka. Rafotsibe very laona ny olona any Melaky, ka miandry izay higadonany.

Ny RMDM Melaky dia mirary fiononana ho an’ny fianakavian’ny maty, sy mirary fanasitranana ho an’ny marary maro be. Tompon’andraikitra amin’izao olana ara-pahasalamana izao ny fitondrana Rajoelina hoy ny RMDM Melaky, satria izy ireo no nampiditra ity valanaretina ity teto, tamin’ny tsy fanidiana ara-potoana ny sisintany tamin’ny taona lasa 2020.