Depiote Fidèle Razara Pierre – Mampiteny ratsy ny ataon’ny fitondrana Rajoelina

Isambilo

Teny efa mampiteny ratsy mihitsy ny zavatra ataon’ny fitondrana Rajoelina amin’izao fotoana, hoy ny depiote Fidèle Razara Pierre, tao amin’ny fandaharana Miara-manonja omaly.

Voalohany amin’izany hoy ity olom-boafidy ity ny resaka fahatapahan-jiron’ny orinasa Jirama, izao ataon’izao fitondrana izao. Tsy misy fialan-tsiny fa dia tapaka lava ny jiro afak’omaly sy omaly. Vokany, nisy ny fitaovana simba noho izay delestazy izay, ka tena mampiteny ratsy mihitsy hoy ity olom-boafidy avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), tany Ambatondrazaka ity. Raha mbola mitohy izao fahatapahan-jiro izao ary manimba fitaovana hoy ihany izy, dia hoentina mirohotra any amin’ny orinasa Jirama mihitsy angamba ireo fitaovana simba.

Anisan’ny mahasosotra ihany koa amin’izao fitondrana izao hoy izy, resin’i Kaomoro isika eto Madagasikara amin’izao fotoana, resiny teo amin’ny resaka baolina kitra, satria i Kaomôro dia tafakatra any dingan’ny famaranan’ny CAN 2022 any Cameroun nefa isika raraka. Resin’ny Nosy Kaomôro koa I Madagasikara eo amin’ny fahazoana vaksiny, efa tonga ny azy ny vaksiny amin’ny covid19 manana fatra 12000, izay ampy azy ireo amin’ny tahan’ny olona voan’ity valanaretina ity any an-toerana. I Madagasikara anefa hoy i Del Kely, amin’ny volana aogositra na septambra vao hahazo vaksiny, amin’ny fifanarahana Covax raha haingana indrindra. Ny filoha Rajoelina anefa hoy izy dia efa nanambara fa hampindram-bola an’i Kaomôro isika ato ho ato, aiza anefa izany? mampiteny ny moan ahoy izy, mba tsy hitenenana hoe: mampiteny ratsy.