Zotra nasionaly sy rejionaly – Manangana saina fotsy ireo mpitatitra

Niaina

Nanambara ireo mpandraharaha mpitatitra amin’ny zotra nasionaly, sy rejionaly eto amintsika amin’izao fotoana, fa tena resy izy ireo noho ny fepetra noraisin’ny fitondrana iadiana amin’ny valanaretina coronavirus, ka nanakatonana tsy nisy fifampidinihana tamin’izy ireo, ireo faritra ahitana olona maro mitondra ny tsimokaretina corona.

Manangana saina fotsy mihitsy izahay hoy ireo mpitatitra ireo, satria tsy misy mba misy akory ny haraton’aina anampian’ny fitondrana anay amin’izao tsy fahafahanay miasa izao. Nilaza izy ireo fa vonona hampanaraka fepetra ary ho hentitra amin’ireo mpanjifa, na ireo olona taterina, amin’ny ady amin’ny valanaretina coronavirus eo amin’ity sehatry ny fitaterana nasionaly sy rejionaly ity. Mandrahona ny hitokona izy ireo noho izany, satria sehatr’asa tena miaina anaty fijaliana tanteraka ankehitriny ireo taksibrosy ireo, manoloana ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fitondrana, tena misedra ady mafy mihintsy ireo mpisehatra amin’ity asa ity. Izy ireo izay mamelona ankohonana toy ny malagasy rehetra.

Manao antso avo izy ireo, fa mafy ny mahazo azy, ny zaza tsy mahalala tsy misy, ny hofan-trano, jiro sy rano tsy lazaina intsony, tsy mba misy mesure d’accompagnement, na haraton’aina araka ny efa voalaza teo mba homen’ny mpitondra, fa dia mijanona tsy misy resaka, tsy misy fifampiresahana, fa tian-kano, tsy tian-kano fotsiny izao. Fitarainana ataon’ireto mpitatitra ireto ny hoe:” tsy ny aretina no hahafaty anay mianakavy, fa ny tsy fisiana sy ny fahoriana”.