Fahalasanan’ny jeneraly Amady Augustin – Naneho fiaraha-miory ny filoha Ravalomanana

Helisoa

Misaona ny tontolon’ny Polisim-pirenena eto amintsika, nodimandry ny alahady teo ny jeneraly Amady Augustin, efa ministry ny polisim-pirenena teo aloha, efa mpitarika ny polisy monisipaly tao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ihany koa tamin’ny fotoan’androny. Efa mpitarika ny fikambanan’ny Zanaka Antenomoro monina sy miasa eto an-drenivohitra.

Ny jeneraly, na ny Inspecteur Général de Police AMADY Augustin dia teraka tamin’ny taona 1942 tany LAZAMASY VOHIPENO. Manambady, niteraka roa.

Ny 25 mey 1963 no nidirany tao amin’ny Polisim-pirenena, grady inspecteur auxiliaire.
Toa izao ny fizotry ny fiainany tao amin’ny polisimpirenena Malagasy:
– 1964: Officier de Police
– 1967: Commissaire de Police
– 1980: Commissaire Principal de Police
– 1986: Commissaire Divisionnaire de Police
– 1988: Contrôleur Général de Police
– 2003: Inspecteur Général de Police.

Efa nisahana andraikitra maro teo anivon’ny Polisim-pirenena izy, fa ny tena nisongadina dia:
– 1992-1993 Minisitry ny Polisim-pirenena.
– 2002-2004 Minisitry ny Filaminam-bahoaka.

Noho ny fahalasanan’ity ray aman-dreny ity izay, naneho fiaraha-miory amin’ny fianakaviany, sy ny fianakaviamben’ny Polisim-pirenena, ny filoha Marc Ravalomanana: filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), sady filohan’ny vondron’ny mpanohitra RMDM. “Tamin’ny alahelo lehibe no nandrenesana ny fahalasanan’i Jeneraly AMADY Augustin, Minisitry ny Filaminam-bahoaka teo aloha ary mpiara-miasa akaiky tokoa. Ny tenako sy ny ankohonako, ny antoko TIM ary ny RMDM dia maneho indrindra ny fiaraha-miory amin’ireo vady aman-janany sy ny fianakaviana manontolo. Mirary fiononana feno ary mahereza indrindra”, hoy ny fiaraha-miory nataony. Ankoatra izany, ny gazety Ny Valosoa Vaovao koa dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakavian’ny jeneraly Amady Augustin.