Sakana ara-pahasalamana – Misy ny mizana tsindrian’ila

Helisoa

Mirongatra izay tsy izy ny valanaretina CORONAVIRUS eto Madagasikara ary tena mampitahotra, satria ao anatin’ny fotoana fohy dia mitarika fahafatesana ho an’ny olona iray. Maro ny olom-pirenena no manome sosokevitra ny mpitondra fanjakàna, izay voalohany amin’izany ny filohan’ny antoko mpanohitra eto Madagasikara ny filoha Marc Ravalomanana, mba hampidirana vaksiny eto amin’ny firenena, fa efa mihàtra aman’aina izy ity, fa tsy sangisangy intsony. Toa antso an’efitra ihany anefa izany, satria dia minia mikimpy ny fanjakàna misalasala, sy mitamatama maka fanapahan-kevitra amin’ny fampidirana vaksiny hamonjena ny ain’ny vahoaka Malagasy.

Ny mahamaika azy dia ny maka fanapahan-kevitra mitory didy jadona. Ohatra amin’izany ny fanidiana ny faritra ahitana ny valanaretina toy ny eto Analamanga, Boeny, Atsinanana, Diego ary Nosibe. Manoloana izany anefa, tsy misy ny fandraisana andraikitra hanampiana ireo tsy an’asa vokatr’izany akory, fa atao baiko midina fotsiny, tsy misy ny fanohanana na mesure d’accompagnement, ka lasa miteraka fahasahiranana sy mampikorontana ny fiarahamonina tanteraka. Ny sidina ho an’ny fiaramanidina anefa mbola misy mandeha ihany ny miditra sy mivoaka eto Madagasikara, nefa, ny taxibrousse hidiana tsy avela andeha, misy ny mizana tsindrin’ila araka ny fahitan’ny maro an’izay eo amin’ity sakana noho ny hamehana ara-pahasalamana ity. Tsy mamono ny vahoaka madinika ve izany?

Manoloana ny fahasahiranana mahazo ny Malagasy ankehitriny dia heno araka ny vaovao nandeha tamin’ny tambazotran-tserasera sy ny gazety, fa toa lasa naka rivotra any Ankao ny filohampirenena mianakavy. Dia ny mahagaga, nanolotra fanomezana yaourt, chocolat, tantely sns… ho an’ny marary sempotra voan’ny CORONAVIRUS ny filohampirenena. Izany ve no tena tsy ampy amin’ireo marary? Voavidin’ny fianakaviana izany raha tena ilaina, fa tsy any no mahamaika azy ireo. Ny fanafody sy oksizena, ahafahana mitsabo ny aretina no mahamaika, fa tsy gouter araka ny fanambaràna nataon’ny solombavambahoaka Me Hanitra Razafimanantsoa, tao amin’ny fandaharana Miara-manonja omaly. Mba fantatry ny vadin’ny filoha Andry Rajoelina, ramatoa Mialy Rajoelina ve izany, satria izy mba nandia fianarana be be kokoa noho ny vadiny hoe ilaina ve zavatra mamy omena ny marary, hoy ity olom-boafidy ity?

Tena mampametra-panontaniana mihintsy hoe fantatry ny mpitondra TGV ankehitriny ve ny tena laharam-pahamehan’ny vahoaka Malagasy? Toa ny werawera (fisehosehoana) mantsy no manjaka ankehitriny, fa tsy fantany ny tena fahasahiranana mahazo ny vahoaka tarihiny, ny mahafinaritra ny azy no fantany, izay vao ny mahasoa. Tena tsy mahakivy, sy tsy izy mihitsy ilay fisainana!