RMDM, fandaharana : Sahia Lasa Izao – Manome sehatra ny vahoaka, hanosika azy handray andraikitra

Helisoa

Hita taratra ny elanelana misy eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra amin’izao fotoana. Manao zavatra ny mpitondra, tsy raharahian’ny vahoaka, manao hetsika ny vahoaka tsy raharahian’ny mpitondra. Zava-dehibe anefa ny tokony hisian’ny fifandraisana eo amin’ireo roa tonta ireo.

Ao anatin’izany no hiditra an-tsehatra ny fandaharana: Sahia Lasa Izao, fandaharana vokarin’ny RMDM: Rodoben’ny Mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagaskikara, hanabe ny olom-pirenena, hahalala ny andraikiny, sy handray izany andraikitra izany. Ity fandaharana ity dia azo arahina ao amin’ny fahitalavitra, sy ny Radio MBS, na amin’ny tambazotran-tserasera ihany koa:
-Alarobia amin’ny 8 ora sy sasany alina: ho an’ny olom-pirenena rehetra tsy ankanavaka, vondron’olona, na fiaraha-monim-pirenena, izay te handray anjara.
-Zoma amin’ny 8 ora sy sasany alina: natokana ho an’ny mpanao politika rehetra tsy ankanavaka.