Depiote Fidèle R. – Baikon’ny grady, sy ny kibo ary… ny miaramila

Depiote Fidèle Razara Pierre

Ny Valosoa

Miaramila, tsy natao hanana fahasahiana hijoro fa baikon’ny grady, sy ny kibo ary zavatra hafa… hoy ny depiote Fidèle Razara Pierre, tao amin’ny fandaharana Miara-manonja omaly.

Tsy hijoro ho mandan’ny firenena izany mihitsy ireo miaramila, fa baikona zavatra telo hoy izy: grady, kibo ary ilay zavatra manjaka amin’izao fitondran-dRajoelina izao. Ireo efa lasa jeneraly dia tsy handeha hitsangana voalohany izany mihitsy, raha misy zavatra tsy mety ataon’ny fitondram-panjakana, fa baikon’ireo zavatra telo ireo izy ireo. Ka tsy tokony hisy vahoaka hieritreritra hanosika ireo miaramila hitsangana, satria tsy kolontsainy izany, fa izy dia baikoana ary manatanteraka ny baiko. Rehefa sarotra aminy ny manatanteraka ny baiko dia izay izy vao mitsangana, fa tsy ho an’ny maha-olona mihitsy.

Manomboka sarotra ho azy ny manatanteraka ny baiko rehefa mitsangana ny vahoaka. Misy ireo manonofy, fa tokony hitsangana ny miaramila. Saingy tsy misy izany miaramila mitsangana izany. Fa na ny vahoaka tsy mandady harona no mitsangana miaraka amin’ireo mpanao politika rehefa matsapa, fa misy zavatra tsy mety mitranga eo anivon’ny firenena, mba hisy ny fanovàna, ary miatrika ny mpitandro filaminana, na tsy mahavita mitsangana fa matahotra mpitandro filaminana, dia tsy misy zavatra miova. Saro-tahotra kokoa noho ny sivily ny mpitandro filaminana. Ny basy ihany no tanjany, fa rehefa tonga ny fotoana ijoroana dia matahotra, fa fanambarana tsy misy anarana manao sonia no misy eo.

Ny zavatra takiana amin’ny vahoaka dia hijery ny zavatra tsy mety ataon’ny mpitondra, fa tsy variana mitehaka, dia hisintonana lesona. Ny zavatra mitranga dia miankina amin’ny tsirairay izay mahatsapa, fa anaty lavaka mangitsokitsoky ny fahantrana ankehitriny, toy ny valala voatango. Tapaka ny herinaratra. Tsy misy ny oxygène. Tsy misy fanafody. Ny fanafody mba azo jifaina dia ahorin’ny sasany. Ireo mpikambana ao amin’ny governemanta dia mihinana Ed1 any ambadika any daholo, fa tsy hoe CVO ihany, hoy ihany ity depioten’Ambatondrazaka ity.

Isika vahoaka ihany no afaka hanoa ny firenena, fa tsy natao hijoro hiaro ny maha-olona mihitsy ny miaramila. Ny miaramila dia baikoan’ny grady, ny kibo sy ny vola.

Inona no tsapa sy hita: mitavozavoza ny tomponandraikitra ary tsy mahafantatra ny laharampahamehana, mimenomena daholo ny olona amin’ny lafiny rehetra: voasakana ny razana, mihidy ny lalana, miseho ny fanaparam-pahefana, mirongatra ny bizina manararaotra ny fikatonana, misy ny fangoronana ny entana, mihoa-pampana ny vidina oxygène, tsy misy vahaolana azo tsapain-tanana mazava avy amin’ny fitondram-panjakana, hahafahana manantena fa hisinda ny olana afaka fotoana voafetra mazava. Afenina ny tarehimarika marina mikasika ireo tratran’ny Covid sy ireo namoy ny ainy. Manolotra karazana tohan’aina (chocolat, yaourt,…) ho an’ny marary ny filohan’ny Repoblika mivady, mampivandravandra fa tsy mahatsapa ny marary amin’ny vahoaka Malagasy izy ireo, zary lasa toa fanesoana izany, satria tsy afaka mihinana izany ny marary fa zavatra hafa no ilainy: herinaratra tsy tapaka, oxygène, fanafody, fanohanana ireo mpitsabo, sns… Avela hitsipatsipaka ho faty ny marary noho ny fahatapahan’ny herinatra kanefa misy “groupe” ana sinoa ao Mahamasina teo akaiky, tokony ho azo nifampiraharahàna, hoy ihany ity olom-boafidy ity.