Miara-manonja – Mamono olona ianareo mpitondra, hoy depiote Me Hanitra

Ny Valosoa

Nilaza ny filoha Andry Rajoelina fa maimaimpoana ny fanafody hiadiana amin’ny Covid-19, maimampoana ny fitsaboana ireo olona tratran’ny valanaretina. “Tsy marina izany!”, hoy ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa, tao amin’ny fandaharana Miara-manonja omaly.

Ny fianakaviana no mitotototo mitady fanafody amin’ny fomba rehetra hoy izy. Tsy hita ho vidiana ny fanafody, na eny amin’ny farmasia, na eny amin’ny hopitaly. Manjaka ny fanararaotana izao toe-javatra izao ary isan’izany ny ao amin’ny fitondram-panjakana, kanefa nolazaina tao anaty ny filankevitry ny ministra, fa ho saziana daholo ireo izay manararaotra. Tsy to teny intsony ny fitondram-panjakana. Tsy voahaja intsony ny fepetra ara-pahasalamana toa ny elanelana sy ny aro tava. Ny antsasa-manilan’ny mponina eo anivon’ny faritra izany dia ho voan’ny aretina afaka fotoana fohy raha izao no mitohy, ankoatra ny aretina hafa. Mandripaka vahoaka ny hanohanana sy aretina kanefa tsy hita izay fepetra maty paika raisin’ny fitondram-panjakana, izay tsy maha-hetsika sy tsy mahavita mitantana ny firenena intsony. Aina maro no nafoy ny andro fialantsasatra teo, fa ny filoham-pirenena mandritra izany dia midedaka miala sasatra any amin’ny nosy Ankao.

“Mamono olona ianareo mpitondra!” hoy ihany ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa, nandritra izany fandaharana izany. Kanefa maro ireo anaty fitondram-panjakana no tsy tafahetsika satria tratran’ny “forme grave” ary mila “oxygène”. Saingy rehefa ho vonoin’ny fitondram-panjakana ny vahoaka malagasy dia ho avy ny fotoana, ka hanonja izy ireo ary ho esoriny aminy io “oxygène” io, hoy hatrany ity olom-boafidy ity.