KADOA TSY AMIN’NY LERANY

Fanafody maimaimpoana, rivotra hamelomana aina:
Izany izao no tena maika, izany izao no tena ilaina.
Mila izany ireo marary, tsy azo mbola ifampiandrasana,
Fa raha dila ny ora iray dia efa miandry izatsy fasana.

Saingy ny an’Ingahy filoha dia hafa foana no ao an-tsaina.
(Zary maivamaivana aminy, tsisy vidiny ny aina?)
Fa dia tena zava-kafa ireo natao ho fanomezana.
(Toa tsy mahagaga intsony f’efa zary fihomehezana!)

Yaourt ary zava-mamy dia nampiana sokolà?
Sao dia mba tsy izay no maika ho an’ny voan’ny corona?
Sa tena hoe ny fidedahana no atao tazana eo aloha,
Sy mahamendimendy hatrany, mahamaika ny filoha?

Tsy ‘zany ve ilay hoe kadoa izay tonga nefa tsy amin’ny lera?
Tsy mitera-bokatsoa fa hoentina hideradera!
Mahafaly vetivety saingy mora adino ihany,
Noho ilay izy tsy hahavaha ireo olana efa zavon-tany!

Rehefa an’aliny no maty, izay vao hiova ve ny paika,
Fa hatreto aloha ireo isa, mbola tsy dia mampiraika?
Vakisiny, tsy dia maika, hoy ireo deba tao ho ao,
Kinanjo nony avy any andafy dia milaza fa natao….!

Dia asa indray ity vakisiny raha mba tena hirosoana,
Na hitoetra ho rediredy sy ho teniteny foana.
Mampahatsiahy ny teny faran’ilay raikalahy taloha,
Fa raha mandroso i Gasikara, tairo,hono, izy mba hifoha!

TSIMIMALO (13-04-21)