Ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina – Tena Vazahabe tokoa, ka tsy mahay ny olan’ny vahoaka

Helisoa

Herintaona mahery no nitantana ny tanànan’Antananarivo ny ben’ny Tanàna Naina Andriatsitohaina: Vazahabe.

Raha ny fihetsiketsehana teo aloha nandritra ny fampielezan-kevitra dia velirano marobe no nampanantenaina ny vahoakan’Iarivo. Ny singaninana manokana amin’izany dia ny fanamboarana trano maro be; fananganana Wc public roanjato isan-taona, fijerena manokana ireo mpivarotra, tramway, hadio Antananarivo sns…

Lasa ity ny taona, tsy nisy zava-bita na kely aza mba hita misongadina eto amin’ny Tanàna fa werawera sy zavatra tsy misy fiantraikany amin’ny vahoaka sy ny sosialim-bahoaka no atao. Nolanian’ny mpanolotsaina ny tanànan’Antananarivo ny tetibola fanampiny nomen’ny fanjakàna foibe ny kaominina Antananarivo Renivohitra.

Raha ny zavatra hita dia toa mamofompofona kolikoly hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko TIM, Riana Randriamasinoro, sady efa talen’ny volan’ny CUA tamin’ny fotoana nitantanan’ny ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana ny Renivohitra, ny fandaniana io tetibola io, satria tsy sahy ny mpitantana ny Tanàna manao tsangan-tanana amin’ny fandaniana azy, fa atao latsabato miafina rehefa misy fanapahankevitra lehibe raisina. Nisy ny mpanolotsaina TIM tafiditra tao anatin’ny vela-pandrika tamin’izany dia nandany io lalàna io. Ao anatin’izany tetibola izany dia vola 2 miliara ariary be izao no hanamboarana zaridaina botanique ao amin’ny kianjan’ny demokrasia Ambohijatovo. Vola anie izany rey olona e! mbola tsy nisy fanapahan-kevitry ny mpanolotsaina anefa namafa io kianjan’ny demokrasia io araka ny fanambarana heno tamin’izy ireo.

Vao omaly ny omaly indray dia niedinedina ny ben’ny Tanàna Naina Andriantsitohaina naka sary niaraka tamin’ny bus, teny amin’ny lapan’ny Tanàna, fa ho sokafana eto Antananarivo hono ny Bus Class, ka 1500 ariary ny sarandalana amin’izany. Maro ny naneho hevitra tamin’ny tambazotran-tserasera sy teny an-dalambe vao nahita io vaovao io. Tena laharam-pahamehana ho an’ny vahoakan’Antananarivo ve izany Bus Class izany? tsy fantatr’ity ben’ny Tanàna ity ve hoe ny sarandalana 500 Ar aza tsy takatry ny Malagasy, koa ahoana no ahatakarany 1500 Ar be izao? efa mba miezaka ihany anie ny zotra manatsara ny fiarany e! Ny taxibe tsotra amin’izao dia 500 ariary ny sarandalana ary 4 isaky ny seza. Koa tsy misarika ny taxibe tsy Class hampiakatra ny sarandalana ho 1000 ariary ve izany, satria 1 fotsiny ny elanelana misy amin’izany. Samy ho tratran’ny fitohanan’ny fiara avokoa sy handeha amin’ny lalana ratsy eto Antananarivo na class na tsy class. Ny arabe potika sy lavadavaka andehanan’ny bus class amin’izao tsy hitan’ingahy ben’ny Tanàna izay atao hanamboarana azy ireny.

Ny fakobe miavosa eran’ny Tanàna tsy ahitàny vahaolana, nefa efa naverina tamin’ny CUA ny SAMVA. Ny eny ambany Tanàna tototry ny rano maloto isaky ny fahavaratra tsy misy mba vahaolana kely mba haroso. Ny mahasoa sy ny mahafinaritra ny maso izany izao no atao laharam-pahamehana. Ny fanomezana laka ny mpanambola no atao zavadehibe. Ny fanapotehana ny tsenan’ireo mpandraharaha kely sahirana tamin’ny fitadiavana vola hanamboarana ny trano fivarotana manaraka ny ara-dalàna potehina tsy misy indrafo.

Raha ny tetibolan’ ny CUA dia tsy ahafahana manangana fotodrafitr’asa toy ny tsena lehibe. Ka mampametram-panontaniana ihany ireo tsena eny Behoririka sy eny Anosikely nisy ny parking Antenimierandoholona. Ahoana ny fomba nananganana azy ireny? iza no namatsy vola? Fanjakan’ny manambola sy fanomezana tombondahiny ho an’ny manan-katao no misy eto Antananarivo Renivohitra ankehitriny, ka izay no hitenenana hoe tena ‘Vazaha be’ tokoa ny ben’ny Tanàna Naina Andriatsitohaina, ka tsy mahay izy ny tena olam-bahoaka, tsy mahay ny olan’ny Malagasy!

http://www.gvalosoa.net/2019/11/25/fa-iza-moa-i-naina-andriantsitohaina-kandida-ird-fifidianana-benny-tanananantananarivo-renivohitra/