Tsy misy fitsinjovana ny valala bemandry mihitsy ny ataon’ny fitondrana

Andry Tsiavalona

Ao anatin’izao fasahiranana tsy roa aman-tany mianjady amin’ny vahoaka Malagasy izao dia mbola manan-tsaina hampiaina ny olompirenena, amin’ny haitraitra sy rendrarendra mahajamba, ny fitondrana tarihin-dRajoelina Andry. Ankoatry ny fikasana sy fanorenana fotodrafitrasa sy trano mijoalajoala izay tsy ny iray isan-jaton’ny vahoaka akory no afaka hanofa azy dia adino tanteraka ny « trano sosialy », izay mba mety ho tratry ny fahefa-mividin’ireo tanora izay manorina tokantrano.

Tsara ampahatsiahivina ny fivoaran’ny saran-dàlana nefain’ny mpanjifa nanomboka tamin’ny fiandohan’ny Repoblika II. Ariary roa na 10 fmg tamin’ny koperativam-pitaterana rehetra nisy. Mbola vitsy ny zotra tamin’izany fotoana izany. Tsaroan’ny efa nahazo taona tsara ny fisian’ireo kaoperativa izay notantanan’ny mpitondra na ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo: toy ny “Fibata” sy “Fima”. Ny entina manamarina fa notantanan’ny mpitondra tamin’izany fotoana izany ireo kaoperativa ireo dia ny fanjavonany rehefa rava ny Repoblika II.

Tsy nitsaha-nisondrotra ny saran-dàlana ary ny mifanohitra tamin’izany kosa ny fidinan’ny fahefa-mividin’ny mpanjifa. Dimanjato ariary ankehitriny ny saran-dàlana kanefa dia efa mampikaikaika ny mponina eto an-drenivohitra, eny hatrany amin’ireo tanàn-dehibe hafa aza. Na ny mpitatitra koa aza anefa etsy an-kilany dia mbola milaza fa tsy araka ny tokony ho izy izany saran-dàlana izany satria ny fitohanana sy ny haratsian’ny làlana efa tsy hahavitana mandroso sy miverina (tour) tahaka ny taloha intsony.

Ny tsapa dia te-hanao bizina amin’ny sehatra rehetra ny fitondrana Rajoelina Andry raha vao tonga teo amin’ny fitondrana. Izy no nihevitra ny hametraka fitateram-bahoaka eto an-drenivohitra amin’ny alàlan’ny “tramway”. Sarotra angamba ny fanatanterahana izany, ka niova indray ny heviny, ka ny « téléphérique » no noheveriny hapetraka kanefa tsy mbola nofaritany ny saran-dàlana amin’izany. Tsy vitan’ny fientanam-po ihany koa satria mila fanadihadiana (études) lalina izany fa tsy vitan’ny vava fotsiny. Angamba mahatsapa izao fitondrana izao, fa sarotra ny hanatanterahana ireo tetikasa ireo satria vola avy aiza na sorabolan’ny departemanta minisiterialy iza no ahitàna izany.

Nivoaka indray ny hevitra avy ao amin’ny fiadidiana ny tanànan’Antananarivo fa hametraka fitateram-bahoaka tena raitra mifanaraka amin’ny fepetra ara-pahasalamana (gestes barrières) amin’izao fotoana izao. Angamba hiara-monina amin’ny covid-19 izao tontolo izao kanefa tsy mbola misy mpitondra firenena any ivelany mamorona fitateram-bahoaka raitra tahaka ny mpitantana ny renivohitr’i Madagasikara. Mbola tsy mazava ihany koa na efa tapaka tao amin’ny filankevitry ny tanàna ity raharaha ity, na fanapahan-kevitry ny ben’ny tanàna sy ny mpiara-miasa aminy ihany. Na izany na tsy izany dia manaitra maso sy mahasodoka tokoa ny endrika ivelan’ny santionany naseho. Afaka manova ny fiara fitaterana hitovy amin’izany ny tompon’ny fiara te hanao izany.

Ny olana dia ny saran’izany fanovana izany izay azo inoana fa ireo mpitondra amin’izao fotoana izao izay manana fiara fitaterana ihany no afaka hanao izany fanovana izany. Ny mahavaka ihany koa dia tsy fantatra iza na ampahafirin’ny vahoaka Malagasy no kendrena (cibles) hanjifa na hitaingina ity fitaterana ity amin’ny saran-dàlana dimanjato sy arivo ariary (1 500 ariary). Tsy ny valala bemandry mihitsy satria dimanjato ariary aza efa mikaikaika ny olona, ka raha làlana mbola vita an-tongotra dia ataony izany.

Hita sy azo tsapain-tànana fa tsy misy fitsinjovana ny valala be mandry mihitsy izay ataon’izao fitondrana izao, fa bizina no mahamaika azy. Araka izany dia tsy ny “tramway” na “téléphérique” na ity “bus manara-penitra” kasaina havoaka ity no manahirana ny vahoaka Malagasy, fa ny fikatsahana vahaolana ivoahana amin’izao fahantrana, kere, areti-mandoza misy eto amin’ny Firenena izao. Olon’ny rendrarendra sy ny fireharehana ary ny fisehosehoana ivelany no misy amin’izao fitondrana izao, ka minia tsy mijery ny zavatra marina iainan’ny vahoaka entiny.