Arlette Ramaroson – Tsy to teny amin’ny vahoaka ny fitondrana Rajoelina

Helisoa

Manoloana ny firongatry ny valanaretina CORONARIRUS dia nanoratra any amin’ny filoha Andry Rajoelina sy ny fitondram-panjakana, ny manampahaizana iraisam-pirenena mikasika ny lalàna, Arlette Ramaroson:
Ianareo no namoaka lalàna momban’ny hoe «état d’urgence sanitaire» sady hatramin’izay, nataonareo hazalambo ny olona sasany tsy mitondra cache-bouche sy tsy manao geste barrière ho fampiharana ny lalâna. Ekena izany satria anjaranareo no mampihàtra lalàna, koa nahoana no tsy niaro ireo vahoaka nifanitsa-kitro tao Toamasina amin’ny aretina ianareo tamin’ny fety teo? amin’ny voalazan’ ny teny baiko hoe : vous n’avez pas bougé le petit doigt. Tianay ho fantatra ny antony, tompon’andraikitra 100% ianareo raha misy manjo ireo, ka voan’ny covid izy ireo.
Etsy andaniny, hita fa tsy tó teny amin’ny vahoaka matoa izy mandà ankitsirano ny fepetra voalazan’ny lalàna toy ny fivorian’olona maro sy ny gestes barrières. Mmanao désobéissance civile ry zareo. Leo ny promesse na fampanantenanareo. Tsy misy fanampiana, tsy misy respirateur, tsy ampy dokotera, ets….
Hiteraka zava-doza ireo fihetsika tamin’ny Lundi de Pâques teo. Tompon’andraikitra 100 % ianareo raha mipoitra ny covid19 amin’ireo olona ireo.
Hita fa tsy voafehy intsony ny firongan’ ity aretina ity, ankoatran’ny filaminam-bahoaka, izay tsy voafehy koa noho ny asan-jiolhay sy ny asan-dahalo.
Koa mangataka vaha-olana mahomby aminareo ny vahoaka, fa trotraky ny fahoriana sy ny fahantràna.