10 Aprily – Taratasin’ny mpamaky

Fanehoan-kevitra ampitaina amin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao izao manaraka izao : MANGATAKA @ FANJAKANA MBA HANOKANA TANY HANDEVENAN’IREO TSY AFAKA MITONDRA RAZANA MIVOAKA NY RÉGION NOHIDIANA NOHO NY CORONAVIRUS.

Nanomboka tamin’ny fihibohana noho ny valan’aretina corona t@ 2020 dia nisy hatrany ireo olona matin’ny corona izay tsy maintsy nalevina tao anatin’ny 24 ora nahafatesany nefa tsy mahazo mivoaka ny Région nohidiana . Misy amin’ireny razana ireny anefa no tsy manana fasandrazana ao amin’ilay Région nohidiana nefa voatery alevina ao. Vokatr’izany dia sahirana ireo olona avy any amin’ny Région hafa mitady toerana handevenana ny havany matin’ny coronavirus ao amin’ilay Région nohidiana, toy ny Région Analamanga.

Misy ihany olona avy any amin’ny Faritra nahavidy tany ao @ ilay Région nohidiana, ka mierireritra fa eo amin’ilay tany novidiany no handevenany ny maty, na hilevenany raha sanatriavina matin’ny coronavirus. Mety hiteraka fisian’ny fasana maro ety afovoan-tanàna, na anaty tambohon’olona maro izany, koa tsy mety hoan’ny fahasalamàna sy ny mpiray vody rindrina manodidina.

Misy koa olona avy any amin’ny Région hafa no mindrana fasana amin’izay olona tsy havany, fa nifankahazo aminy nefa manana fasandrazana ao amin’ilay Région nohidiana, na mindrana tany atao anirotra eo akaikin’ny fasandrazan’ilay olona mifankahazo aminy, mba handevenana ny maty.

Misy koa manana fasandrazana ao amin’ilay Région nohidiana saingy vao avy nandevenana, ka tsy mbola azo vohaina handevenana indray, ka sahirana mitady toerana handevenanana raha tery ny tokontanim-pasana, ka tsy azo anaovana anirotra.
Misy milaza fa misy olona tsy fantatra mandevina antsokosoko amin’ny tanin’olon-tsotra tsy fantany akory , dia ireny tany mangingina tsy be mpandalo ireny.

Tsy mety amin’ny maro amin’ ireo olona tsy manana fasandrazana ao anatin’ny Région nohidiana noho ny coronavirus koa anefa ny hoe handevina eny amin’ny ” fasam-bazaha” satria tsy vazaha ny havany nodimandry no lafo rahateo ny saran’ny toeram-pandevenana amin’ireny fasam-bazaha ireny.

Izany indrindra no angatahana amin’ny Fanjakàna, mba hanokana tany 2 ha amin’ny tanimpanjakana eny Soamandrakizay ,ohatra , na amin’ny tanimpanjakana lasan’ny karàna, mba handevenan’ireo tsy manana fasandrazana eto Analamanga ny maty mandritra izao ady amin’ny valan’aretina coronavirus izao ary tsy asiana sarany/hofany isan-taona ny tanim-pasana.

Rangorindralesoka Zanakandriana
Mpamaky gazety Ny Valosoa