Vondron’ny mpanohitra RMDM – Avoahay avokoa ireo enjehina noho ny resaka politika

Helisoa

Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety, tao amin’ny foiben-toeran’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), tao Bel’Air Ampandrana, ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny Demokrasia eto Madagasikara: RMDM afak’omaly, mahakasika ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny, indrindra manoloana ny valanaretina Coronavirus izay hita, fa tsy voafehin’ny fitondràna tarihin’i Andry Rajoelina amin’izao fotoana izao.

Manoloana izany dia mangataka izahay mpanohitra hoy ny filoha lefitry ny RMDM ao Toliara, ny Pasitera Tsarahame Edouard, ny hananganana ny filankevi-pirenena hiady amin’ny CORONAVIRUS. Mirongatra ankehitriny io valanaretina io ary marobe ireo namoy ny ainy vokatr’izany, ka mila fandraisan’andraikitry ny olom-pirenena rehetra.

Ankoatra izay, mba hampilamina ny firenena ihany koa dia tsy fotoanan’ny fanagadràna olona tsy misy antony intsony izao andro izao, hoy ny filohan’ny tanora RMDM: Frero. Nisy ny fisamborana olona manao akanjo mena sy handeha hiantsena ny 20 febroary lasa teo, izay avy hatrany dia nogadraina. Tsy rariny hoy i Frero ny mbola hamerenana azy ireo any amponja, fa tokony hivoaka avokoa ireo enjehina noho ny resaka politika rehetra. Ao anatin’izany ry Berija, izay mpikambana ao amin’ny tanora RMDM, ny minisitra Rolly Mercia sns…

Mampanantena ny vahoaka ny RMDM, fa hiady amin’ny fitantanana tsy mahomby eto amin’ny firenena ankehitriny ary hiady amin’ny aretina CORONAVIRUS. Noho izany , ny RMDM dia hamokatra fandaharana manokana mitondra ny lohateny hoe «LASA IZAO » isaky ny zoma amin’ny 8 ora sy sasany alina ao amin’ny MBS radio sy Tv, araka ny fanambaràna nataony nandritra ny valan-dresaka nataony tamin’ny mpanao gazety.