Fitondrana Rajoelina – Miala daholo fa tsy mahavaha olana hoy ny Miara-manonja

Stefa

Mitohy hatrany ny fandaharana Miara-manonja ao amin’ny onjampeo MBS, Az Radio, ny Soa Radio, ny Radio Mada, ny IBC Radio ary ny fahitalavitra MBS. Misongadina amin’izany ny filazana ny marina sy ny tena zava-misy eto amin’ny firenena, izay noezahan’ny fitondrana nosarontsaronana hatramin’izay. Nambaran’ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa nandritra izany omaly, fa tsy mahavaha ireo olana maro samy hafa misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana ny fitondrana Rajoelina, anisan’izany ny tsy fahafehezan’izy ireo ny ady amin’ny valanaretina coronavirus.

Tsy ampy ny fitaovana ampiasaina itsaboana ireo marary toy ny fanafody, ny entona oksizena izay tena ilaina tokoa amin’ny fitsaboana ireo marary manana fahasarotana, karazam-panafody maromaro amin’izao fotoana no tsy hita intsony eny amin’ny toeram-pivarotana azy ireny. Ny fitaovam-piarovana ireo mpiasan’ny fahasalamana ihany koa dia tsy ampy. Voalaza fa tsy mahazo tambin-karama ireo mpisehatra amin’izany sehatry ny fahasalamana izany, ka sahirana izy ireo amin’ny fanatanterahana ny asany, ary tsy maharaka mihitsy,…

Noho ireo antony ireo, mialà avokoa ianareo mpitondra rehetra, fa tsy mahavita ny andraikitrareo, hoy ny depiote voafidy tao amin’ny Boriboritany voalohany teto Antananarivo, Me Hanitra. Tena famonoan’olona izao ataonareo mpitondra ankehitriny izao, hoy ity olom-boafidy, izay mpamakafaka politika ihany koa ankehitriny.

Nohamafisiny, fa tsy miendrika hitondra intsony izao fitondrana Rajoelina izao, satria tena tsy mahay ny asany, sy ny tokony hataony, fa dia ny werawera araka ny fitenin-jatovo amin’izao dotoana fotsiny no be, fa raha ny asa vita mipaka amin’ny vahoaka dia aotra.