CSBII Ambohitrimanjaka – Notokanana ny trano ho an’ny mpiandry mpiteraka

Aly

Notokanana omaly tany amin’ny CSBII Ambohitrimanjaka, distrikan’Ambohidratrimo, ny trano vaovao ho an’ny mpiandry mpiteraka ao amin’ity toeram-pitsaboana ity.

Efa antitra sy simba ny trano teo aloha, ka nanao trano vaovao ny kaominina Ambohitrimanjaka, fiaraha-miasa tamin’ny fikambanana Soleil Marmailles avy atsy amin’ny Nosy La Réunion, tarihan’i Dokotera Sylvie sy Tiana Razafintsalama. Ity fikambanana Malagasy atsy amin’ny Nosy rahavavy ity no niantoka manontolo ny fanamboarana izany trano vaovao izany, nisy ihany koa ny fiaraha-miombon’antoka tamin’ny Inner Wheel district 901.

Noho ny fahasahiranana nahazo ireo mpanaraka mpiteraka no nanaovana izao trano izao, ny toeram-piterahana dia efa misy ao amin’ity toeram-pitsaboana ity. Nitokana izany tany an-toerana ny depioten’Ambohidratrimo Mamy Rabenirina, nanotrona azy tamin’io fotoana io ny ben’ny tanànan’Ambohitrimanjaka Ihajason Randriamanalintsoa, ny solontenan’ny fikambanana Soleil Marmailles eto Madagasikara, notarihan’i Zo Rarivoson. Fijerena ireo tanora sahirana ara-pivelomana indray no anisan’ny asa sosialy hataon’ny fikambanana Soleil Marmailles manaraka.