MPITONDRA ZATRA DONIN-DAVA

Mahagaga ity ‘nareo toa miandry donina hatrany,
Nefa dedaka hijoro, te hitondra firenena.
Tsy mpitondra midororo, tsy mpitondra toy izany
No ilain’ireo vahoaka maty noana, mosarena!

Hijery iretsy mpanabe izay hendry fa tsy dia miteny,
Dia miandry donin-dava sady tena tsy miraika.
Raha tsy atao ny fitakiana sy grevy lava reny
Dia tsy omena ny karamany fa “bebaoty” aloha no maika?

Hanafatra ilay vakisiny dia matory, miandry donina.
(Nefa avy eo dia ratsy vava, feno avona tanteraka!)
Izany anefa izao no maika, miandry izany iretsy mponina,
Na ny an-tsaha na ny an-tanàna, mila izany f’efa reraka!

Ny mpanohitra no esoina ho tena mila vaksiny,
Fa sokajin’ny marefo sy olona fadiranovana?
Nefa izany tsy midika f’ianao deba ankehitriny
Dia tsy voan’ny corona fa efa tsara fiarovana.

Ianao no mila mba mijoro sy miseho an-karihary
Fa nanao ny vaksiny sy ho modely mba hianarana.
Fa tsy ianao ilay donin-dava sy ho faly hanao kabary
Mampiseho ny saina ratsy sy mifono hasomparana!

Vaksiny no hafaro ho an’ireo rehetra mila,
F’efa izay no irosoan’ny eran-tany ankehitriny.
Tsy mpitsabo irery ihany na iretsy miaramila,
Fa ny gasy tsy ankanavaka, samy mila vaksiny.

Mifohaza,mijoroa, aza matoritory intsony
Ry mpitondra midororo nefa tsy dia tsara vava.
Ny modely faka tahaka dia ianao izay eny ambony,
Ka meteza mba havitrika f’aza miandry hodonin-dava!

DADAN’i RIANA (07-04-21)