Covid-19 – Vakisiny rosiana “Spoutnik V” – Mitohy ny tsy mangarahara sy filalaovana aim-bahoaka

(Sary gazety Tia Tanindrazana 8 aprily 2021)

Mbola resaka bizina indray ve ilay fanaovana tandrevaka?

Efa mahazatra loatra ny tandrametaka raha tsy hilaza fa fanahy iniana ratsy ataon’ity fitondran-dRajoelina ity eo amin’ny ady atrehina amin’ny Covid. Mitondra inona ho an’ny vahoaka izao ny filazàna tamin’iny kabary asabotsy iny fa hisy vakisiny karazany roa fiadivana amin’ny Covid no ho afarana? Tsy fantatra ny anaran’ny vakisiny fa dia samy maminany. Tsy fantatra hoe rahoviana no ho tonga. Tsy fantatra na ny mpanohitra no atao tsindrona voalohany araky ny vava feno eson’ny filoha, sa izy tenany indray no hidedaka ho atao voalohany. Tsy misy paikady mazava atolotra ny vahoaka. Sa ho atao bizina toy ny mahazatra indray?

Ahiana indray ny fifanarahana antsokosoko ataon’ny fitondrana amin’ny rosianina ny amin’ny vakisiny « Spoutnik V » entiny miady amin’ny Covid. Kanefa re fa mbola tratran’ny aretina ihany ny filohan’i Argentina na dia efa nahazo ny tsindrona faharoa aza. Koa mipetraka ny fanontaniana hoe mbola ho atao kilalao tahaky ny amin’ny CVO ihany ve ny ain-dRamalagasy?

Efa tsy vitan’ity fitondrana ity ihany ny miady amin’ny valanaretina ity ka nanao antso avo amin’i Andry Rajoelina ny mpanohitra mba hanangana ny filankevitra nasionaly iarahan’ny hery velona rehetra hiady amin’ny coronavirus amin’ny fomba maty paika sy mangarahara. Na dia avonavona foana aza no nasetrin-dRajoelina ny tolo-tanana tanana nataon’ny mpanohitra dia tsy mitsahatra ny mandray ny andraikiny izy ireo. Vao tsy ela no ny filohan’ny mpanohitra nilaza hoe na ela na haingana dia tsy maintsy hiverina amin’ny teniny ny fitondrana mikasika ny fampidirana vakisiny, dia ireny menamenatra ireny ny filoha nilaza fa hampiditra vakisiny. Efa manomboka mihaino ny mpanohitra ihany ve izany i Andry Rajoelina na dia be tandrevaka aza? Hihaino indray ve izy amin’ity sosonkevitra fananganana filankevitra nasionaly handrindràna ny ady amin’ny Covid ity? Dia ho hita eo fa hatreto aloha dia mbola ny mahafinaritra ihany alohan’ny mahasoa no laharampahamehana hitantanan’ny mpitondra ity firenena ity.

(TV5 Monde)