8 Aprily – Taratasin’ny mpamaky

Taratasy ampitaina amin’ny gazety Ny Valosoa Vaovao izao fanehoan-kevitra manaraka izao.

Talohan’ny fifidianana izaho dia namaky tsara ny IEM , sy Manifesto, efa nijery ny projet de société-ana candidat hafa ihany koa .

Mba nianatra momba ny fitantanana sy ekonomia ary ny tantara ihany koa ny tenako, fa raha namaky ny IEM t@ izany dia nahatsapa, fa tsy maharesy lahatra ahy mihitsy ilay IEM , indrindra ve ireo mpamatsy vola ? Satria dia tsy misy laharam-pahamehana mihitsy ny ao anatiny, toa mamaky ireny angano sy arirarira ireny , ohatry ny lasa revin – gadra ilay fanaovana azy …

Ny mpamatsy vola anefa dia mijery hoe inona no azo atomboka mialoha , dia inona ny manaraka , ….

Hatreto aloha dia na ireo namany (karana sy sinoa) aza sadaikatra hanampy azy, satria na zareo koa aza matahotra.

Anthony Rakotomalala
Mpamaky gazety Ny Valosoa Vaovao