Fiarovana sy fanafodin’ny covid19 – Lava dia lava ny filaharana fividianana ny Ed1

Andry Tsiavalona

Lava dia lava ny filaharana fividianana ilay Ed1, fiarovana sy fanafodin’ny valanaretina coronavirus eto an-drenivohitra : eny Ambatoroka, sy eny Mahazoarivo. Vokatr’izay fahombiazan’ity vokatra vitan’i Edmond Rakotomalala ity, misy ireo mpanararaotra ao anatin’izay.

Iainana amin’ny fiainana andavanandro nanomboka ny taona 2009, fa miha-mahazo laka ny gaboraraka sy ny fitiavan-kely ary ny fitiavan-tenan’ny olompirenena eo anivon’ny saranga isan’ambaratongany. Raha ny marina dia ny mpitondra no alain’ny entina tahaka, satria rehefa manao ny tsy fanao ny manam-pahefana dia heverin’ny sasany fa azo atao izany. Rehefa nomena tsodrano sy namporisihana nandroba sy nandoro fananan’olona, eny hatramin’ny fananana iombonana aza tamin’ny alatsinainy mainty, 26 janoary 2009, dia nihevitra ny sasany fa azo atao tsara izany na aiza na aiza ary na amin’ny fotoana inona, na amin’ny fomba ahoana. Tsy misy tsy mahatsikaritra fa rehefa andro maromaro mialohan’ny fety dia misondrotra daholo izay ilaina rehetra iatrehana izany vanin’andro izany: ny ilaina amin’ny sakafo, ny fitafiana, sns,… Azo lazaina fa mandalo ihany ny fety ary tsy mahavita taona ny fanararaotana atao amin’izany.

Niaraha-nahalala fa tsy toko tsy forohana ny fanondranana an-tsokosoko ny harem-pirenena nandritra ny tetezamita. Na dia tratra tany ivelany aza izy ireny dia tsy nisy fantatra izay nalehan’ny vola vidiny fa nanjavona izy roa. Azo antoka fa nisy olona ambony tao amin’ny fitondrana tetezamita nahafantatra ny nalehan’ny entana sy ny vola, saingy tsy misy afaka miteny satria tsy nisy afaka na sahy nanao fanadihadiana momba izany. Azo lazaina kosa anefa fa misy amin’ireo manam-pahefana tamin’izany fotoana izany manana petrabola any ivelany any ary afaka nividy trano. Halatra ankolaka izany ary mbola mitohy hatramin’izao, porofon’izany ny resaka volamena telo ambifitopolo kilao sy sasany tratra tatsy Afrika Atsimo, saingy na dia nisy koa aza ny bolabolana andramena, telonjato taonina tratra tatsy amin’ny nosy Kaomoro dia tsy nisy tribonaly toy ny raharaha volamena tatsy Afrika Atsimo. Nisy tribonaly ihany koa ny tany Malayzia saingy nanjavona ihany ny bolabolana andramena sy ny vola vidiny. Fametsifetsena ny mpiray tanindrazana izany fihetsika izany ary heverin’ny sarangan’olona sasany fa azo atao tsara izany, hany ka ny samy vahoaka madinika ihany no mifampitsentsitra.

Nararaotin’ny mpitondra amin’izao fotoana izao ny valanaretina covid-19, ka toy ny tari-drano ankilahila ny vola fanampiana nomen’ny mpiara-miombon’antoka niatrehana izany. Tsy nahomby na dia nireharehana fatratra aza ny CVO ary namidy teny amin’ny tsena lehibe ( grande surface) kanefa dia tsy nampiraika loatra ny olompirenena ny nanjifa azy. Tsy afaka nanao na inona na inona ny mpitondra nanoloana izany toe-javatra izany, ka rehefa nivoaka ny Ed1, izay misarika olona maro tokoa dia efa saika nosakanana indray ny famarotana izany, satria mpifaninana matanjaka amin’ny CVO. Soa fa niverina tamin’ny fanapahan-keviny ny mpitondra satria zon’ny olompirenena tsirairay ny mitsabo tena araka izay fantany fa mety aminy. Ny olana dia vao manomboka mirohatra manjifa ity fanafody ity ny mponina eto an-drenivohitra dia mahazo vahana sahady ny fametsifetsena sy fanararaotana ary fitsetsefana ny mpiray Firenena. Mety ho tsy fahaiza-mandamina sy tsy fahazarana eo ny fomba entina mandrindra ny filaharana eny amin’ny toerana fivarotana ny Ed1, satria dia misy manao làlam-poza, ka mahazo fanafody na dia tsy milahatra akory aza. Misy koa etsy andaniny ireo olona mipetraka any amin’ny manodidina miambina filaharana, ka mivarotra izany amin’ireo tonga aty aoriana be. Misy koa mahazo nomerao dia mividy fanafody ary mivarotra izany indray amin’ny olona efa nifanaraka taminy.

Fametsifetsena sy fanambakana ary fanaovana tsinontsinona ny mpiray Firenena izany, satria samy mba te-hisitraka izany ny tsirairay ary miainga vao mangiran-dratsy any an-trano kanefa dia ny olona tonga aoriana indray no mahazo fahafaham-po mialoha azy. Maro ny olona efa nilahatra omaly kanefa dia nody maina ary toy izany koa androany. Ilain’ny olona ny Ed1 matoa midodododo izy kanefa mitaky fandaminana hentitra sy mahomby avy amin’ny mpamokatra ity fanafody ity ary mitaky fanetren-tena sy fitsinjovana ny hafa avy amin’ireo mpanararao-paty ary ho torak’izany koa ny mpividy tsy mahafehy tena, sy tia-tena ka manao tsinontsinona ny mpiarabelona aminy.