EDITO 8 Aprily – Tsy misy vahaolana ny faharefon’ny fahasalamam-bahoaka

Sôh’son

Ao anaty krizy ara-pahasalamana tanteraka ny firenena Malagasy ankehitriny. Zava-tsarotra no lalovana ary miatrika ady izay tsy fantatra ny iafaràny, manoloana tsy fahatomombanana samihafa. Ny sehatry ny fahasalamana, anisan’ny olana lehibe eto Madagasikara nandritry ny taona maro. Voasokajy anisan’ny firenena mahantra indrindra eto amin’izao tontolo izao ny firenena Malagasy. Endrika iray isehon’izany, ka amaritana azy ho izany ny tsy fanjarian’ny fahasalamam-bahoaka. Marefo ara-pahasalamana ny Malagasy amin’ny ankapobeny nandritry ny taona maro ary mbola miha-mafy izany amin’izao fiatrehana ny ady amin’ny valanaretina covid-19 “amin’ny endriny vaovao” izao. Tsy ampy ny lafiny fitaovam-pitsaboana, ny mpitsabo sy ny toeram-pitsaboana, ny fanafody enti-mitsabo, ary indrindra ny fanaraha-maso ihany koa, ka zara raha voatsabo ny marary.

Io tsy fahatomombanana ara-pahasalamana io, dia mifamatotra amin’ny sakafo hohanin’ny vahoaka. Iaraha-mahalala anefa, fa tsy milamina araka ny fitenenana ihany koa, io sakafony io. Zara raha mihinana ny Malagasy isan’andro, fa ny fatran’ny otrikaina amin’ny sakafony latsaky ny tokony ho izy mandrakariva, dia ny eo amin’ny 2500 kilao kaloria isan’andro isam-batan’olona eo. Mbola manjaka eto amin’ny firenena ny tsy fanjarian-tsakafo, sy ny tsy fahampian-tsakafo. Olana lehibe iainam-bahoaka isan’andro tsy voavahan’ny fitondrana mazava sy ao anaty fotoana fohy izany. Ankehitriny aza, ao anatin’izao krizy ara-pahasalamana izao, mbola mitohy ihany ny fanilikilihana sokajin’olona ataon’ny fitondrana, kanefa saika ny Malagasy amin’ny ankapobreny mihitsy no voadona mafy amin’ny fahasahiranana.

Tsy tokony hadinoina koa anefa, fa ireo lafiny roa ireo, dia mifamatotra tanteraka amin’ny fihariana sy ny vola miditra amin’ny isam-pianakaviana. Gorobaka tanteraka ny kitapom-bolan’ny fianakaviana Malagasy ary mihena ny vola miditra aminy hatramin’ny taona 2020 nidiran’ny valanaretina covid-19. Tsy vitan’ny fitondrana ankehitriny ihany koa ny nanarina ny fiainam-bahoaka hatreto. Tsy manana vahaolana matotra sy haingana amin’izany ny fitondrana. Ny hita miharihary dia avela hiady irery amin’ny fiainana andavanandrony ilay vahoaka Malagasy. Tsy hita mazava izay tena finiavan’ny fitondrana ao anatin’izany.

Tsy vitan’ny fananganana toeram-pitsaboana ny fanarenana ny faharefon’ny fahasalamam-bahoaka. Tsy vitan’ny resabe ihany koa io. Fitondrana mahay mitondra firenena no mahavaha io olam-bahoaka io, fa raha mbola ny eo ihany no eo, dia “tsy mamely” izany n’inona n’inona fanazavana sy resaka mampandry adrisa sy ny fiarovan-tena mbamin’ny fanilihana andraikitra.