Tany 22 ha eny Vontovorona – Olon’ny fitondrana mandroba tany iveloman’ny mponina

Fakàna tany 22 ha manoloana ny Cnaps Vontovorona

Ny Valosoa

Velon-taraina ireo mponina sy tantsaha eny Vontovorona Antananarivo Atsimondrano, fa anaovan’olona mahitahita avy ao amin’ny fitondrana amboletra ny tany ipetrahany sy ivelomany.

Efa hatramin’ny volana oktobra lasa teo, no misy olona ambony ao amin’ny fitondrana miaraka amin’ny vadiny, izay maka ny tanin’ireto mponina ireto amin’ny fomba tsy ara-dalàna. Nampiasàn’izy ireo vadintany sy zandary izany. Ireto farany koa dia nanampatra fahefana amin’ny famatorana olontsotra tamina ‘menottes’, na rojo vy.

Tany mirefy 22 ha manoloana ny Cnaps Vontovorona, nohajarian’ireto mponina nandritra ny 40 taona, ipetrahany sy amboleny, antom-pivelomany, no anaovan’ireto mpivady mahitahita ireto amboletra sy ampiasàny fahefam-panjakana.

Efa eny amin’ny fitsaràna ny raharaha, ka tsy tokony hisy ny fandravana trano, kanefa tsy miraharaha izany ireo olona ambony ireo hoy ireto mponina. 4×4 maro no tonga niaraka tamin’ny zandary 60 teny an-toe-rana. Ho arahana akaiky eo ity raharaha ity, izay efa eny anivon’ny fitsaràna.