Ramampy Marie Zenaide – Manana andraikitra amin’ny fisorohana ny coronavirus ny renim-pianakaviana

Franck Razakambelo

Ny fiarovana ny ain’ny Renim-pianakaviana iray no ahafahana miaro ny zanany, sy ny mpiara-belona aminy, manoloana ny fiparitahan’ny valanaretina Coronavirus amin’izao fotoana izao, hoy Ramatoa Ramampy Marie Zenaide Le Chat, filohan’ny REFAMP: Réseau des Femmes Africaines Ministres et Parlementaires, na tambazotran’ny vehivavy Afrikanina Minisitra sy Parlementera eto Madagasikara, no sady Solombavambahoaka teo aloha voafidy tao amin’ny Distrikan’Ambalavao.

Nanohy fanazavana ity tompon’andraikitra ity, fa tokony tsy hitsahatra mananatra sy mampahatsiahy isan’andro ny zaza sy ny mpiara-monina aminy ny Renim-pianakaviana, mba hitandrina manoloana ny aretina Coronavirus ary tsy tokony hiandry fahafatesan’ny olona akaiky azy vao handray fepetra hentitra amin’ny fanantanterahana ny fepetra sakana, sy ny fanadiovana ny zavatra kirakiraina ary ny tsy fifampikasokasohana, sy ny fanaovana aro-tava rehefa mivoaka ny trano .

Nanamafy Ramatoa Ramampy Marie Zenaide, fa ny renim-pianakaviana no to teny eo anivon’ny tokantrano ary tokony tsy hitsahatra manentana sy mampianatra ny ankohonany amin’ny fanarahana ny torolalana apetraky ny fitondram-panajakana, ho fisorohana ny Coronavirus ary tokony hanao laharam-pahamehana ny fiarovana ny aina. Nanohy fanazavana ity filohan’ny REFAMP ity, fa tokony tsy hanao ambanin-javatra ny fiainam-pianakaviana ny vehivavy iray ary tsy tokony hitady sy hampiditra aretina ho an’ny ankohonany, satria lafo vidy ny fanafody sy ny “Oxygène” eny amin’ny Hopitaly, no sady manome alahelo ny fianakaviana raha sanatria, ka misy ny fahafatesana nohon’ny aretina.

Tsy hay ny tsy hangina manoloana ny fihanaky ny valanaretina hoy ity Solombavambahoaka teo aloha ity, koa dia manao antso avo ho an’ny vahoaka Malagasy tsy ankanavaka, mba hanaraka ny toro-lalana izay omen’ny fitondram-panajakana sy ny fiangonana, amin’ny alalan’ny haino aman-jery, amin’ny fisorohana ny valanaretina Coronavirus.