METEZA HIHAINO RY MPITONDRA

Ilaozy kely aloha ny lapa, manokàna indray fotoana,
Hahazoa-mijery akaiky ny mahantra sy ny noana.
Heno mantsy ny kabary saingy tsy nasiana teny,
Ny amin’izay ho fanampiana ny madinika toy ireny.

Mbola misy ny hozaraina sa dia eo am-piandrasana?
Vola anie izay azo izay raha toa tsiahivina ny lasana!
Saingy be nivilivily fa tsy tena tsara tantana,
Ka tsy hita ankehitriny izay fiantraikany mivantana!

Efa be ny fitakiana ny hisian’ny ampamoaka,
Saingy ahodina ny resaka raha vao mba miseho vahoaka.
Angamba be ny akamakama ho voasaringotra any am-para,
Hany ka ny fitantanana, tsy natao mangarahara.

Raha ny marina dia tokony hisy indray ny fihibohana,
Saingy menatra fa lany ilay atao hoe vatsy tohana?
Raha izany dia vao mainka hitombo ireo handao ny tany,
Noho ny aretina tsy ho zakany ary noho ny fahantrany.

Ka dia mbola averina eto ny antsoantso sesilany:
Fitsaboana maimaimpoana sy sakafo no omàny.
Ireo ilaina andavanandro no alefaso mba hitobaka,
Menaka sy vary mora no aelezo ataovy bobaka.

Fa tsisy aretina ho resy, tsisy fahantrana handao,
Raha mbola tsisy fanovàna irony fomba amam-panao.
Ianao mpitondra no aoka hijoro ho modely lalandava,
Mba tsy ho mpitari-bato avo feo fa vilam-bava!

DADAN’i ZINA (05-03-21)