Vehivavy voafonja sy coronavirus – Niresaka tamin’ny BBC News Afrique i Arphine

Nangonin’Isambilo

Mahakasika ny vehivavy voafonja sy ny valanaretina coronavirus, niteny tamin’ny gazety eran-tany BBC News Afrique ny mpanao gazety Rahelisoa Arphine, izay sady talen’ny famoahana ny gazetinao Ny Valosoa Vaovao ny 29 martsa 2021 lasa teo. Nanao ny fanadihadiana ny mpanao gazetin’ny BBC Wold Service Swaminathan Natarajan. Ankoatra izany, mitsingerina rahampitso 4 aprily 2021 ny nampidiran’ny fitondrana Rajoelina azy tsy ara-drariny nandritra ny 1 volana katroka tany am-ponja, tamin’ny taon-dasa 2020.

Toy izao ny valin-tenin’i Arphine tamin’ny BBC News Afrique:

“Rahelisoa Arphine no anarako; 52 taona. 30 andro no nahavoatazona ahy teny amin’ny fonjan’Antanimora ny 4 avril, ka hatramin’ny 4 mey 2020.

Ny toem-piainana tao anaty fonja dia tena mafy satria tsizarizary ny toerana ipetrahana. Tamin’ny fotoana nampigadra ahy dia nirongatra ny valanaretina COVID 19. Tao anatin’izany, izay voafonja vaovao niditra tao Antanimora dia natokana toerana avokoa. Ny toerana nisy ahy dia vehivavy miisa 18 izahay no tao anaty efitra kely mirefy 4X4 metatra. Tao anatin’izany dia tsy nisy fandriana fa natory tamin’ny tany. Tany amin’ny fianakaviako aho no nanafatra lamba sy kidoro eponge natoriako tamin’io fotoana io. Tsy nahazo nivoaka ny trano izahay mandrampahatongan’ ireo tompon’andraikitra dokotera hanao test PCR, fa dia tao anaty trano tao. Nanao ny “besoin” ihany no nahafahana nivoaka ny trano.

Ny resaka fidiovana dia tsizarizary, satria vehivavy efa amanjatony no mampiasa ny toeram-pivoahana sy fidiovana iray . Filaharana be ny fidirana ao anatin’io toerana io . Ny toerana dia tsy mendrika satria ny voalavo sy ny kongona no manjaka ao na dia efa mba miezaka manadio ihany ireo vehivavy voafonja . Ny sakafo dia mangahazo maina na vary tsy misy laoka no hitako nandritra ny fotoana nijanonako teny.

Ny tahotra nandritra ny areti-mandringana dia efa tsy lazaina intsony satria tao amin’ny toerana nisy ahy tamin’ny vao niditra dia 5 mianaka izahay , avy eo nitombo lasa 15. Rehefa natao test PCR izahay ireo dia nisaorana ny Tompo fa mba négative daholo. Mbola tsy naka ny efitra tokony hisy anay anefa izahay, fa mbola nijanona tao ihany , nisy anefa ireo voafonja vaovao mbola tsy vita test dia teo no tena nampitahotra ahy hoe sao mitondra ny tsimokaretina itony olona vaovao itony. Nitombo 18 izahay tamin’io fotoana io.
Tsy nahita fitandremana covid aloha aho tao anaty fonja, fa niaina toy ny isan’andro ny voafonja rehetra . Tsy nisy nanao cache bouche, tsy nampiasa gel , fa ho ahy manokana dia nitandrina ny tenako manokana aho. Fa ny marihiko kosa aloha dia miezaka ireo voafonja manadio ny toerana sy ny efitra misy ny tsirairay isan’andro e!

Ny fitsaboana ao amponja dia tena mampalahelo satria tsizarizary. Tsy misy ambulance, ny fanafody kely no misy, ka raha vao tojo aretina mafy dia tena tsy misy azon’ny ao amin’ny fonja atao . Zavatra tena nampalahelo ahy dia nisy vehivavy voafonja maty tao satria taraiky raha ny fanamarihan’ny voafonja namany ny nitondràna azy tany amin’ny hopitaly noho ny fahasarotana eo amin’ny lafiny taratasy sy ny fitaovana ampiasaina hitondràna ny marary. Nanao tsipaipaika ny voafonja hitondrana azy tany amin’ny hopitaly. Tara anefa ny fanapahankevitra dia tsy tana ny ain’io renimpianakaviana io.

Nandritra ny 30 andro nijanonako teny amponja dia tsy afaka niresaka tamin’ny fianakaviako aho na ny mpisolovava ahy na 1 minitra aza, fa ao anaty carnet sy amin’ny alalan’ny taratasy no nifanoratra. Tena nalahelo aho tamin’izany , nefa tsy afaka nanoatra. Io fanapahankevitra noraisin’ny fonja io dia noho ny fisian’ny valanaretina COVID 19. Raha ny zavamisy anefa hitako tsy dia mety ihany ilay fanapahankevitra satria izahay vita test négative , nisy voafonja vaovao anefa nampiarahina taminay tamin’ny vao tonga izy ireo. Raha nitondra tsimokaretina izany ireto farany dia voa ihany izahay.
Mankasitraka indrindra.”

BBC News, Afriqe – Covid et prison: la vie carcérale pour ces femmes oubliées de la pandémie
http://www.gvalosoa.net/wp-content/uploads/2021/04/NY-VALOSOA-03-avril-1148_page-8.pdf