HCC vaovao – Ho volan-kakafotra, ny omaly tsy miova ihany

Radafy

Tsy mampiraika firy ny olom-pirenena ny fanendrena, sy ny mahafeno ny olona mpikambana vaovao, hipetraka sy hiasa eo anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana (HCC) tamin’ity herinandro ity. Efa samy nanome ny olony avokoa ireo andrimpanjakana telo natao hameno izany toerana izany. Misy antony lehibe ny mahatonga izany fihetsiky ny olom-pirenena sy ny vahoaka izany, manoloana ny amin’ity Hcc ity, fa tsy tongatonga ho azy amin’izao akory. Ary any amin’izany no asehon’ny vahoaka ny fihetsiny sy ny heviny ho setrin’ny fanaovan’ny mpitondra azy ho toy ny zaza na bado.

Ireo mpikambana tao amin’ny HCC teo aloha, dia nahenoana filazana tamin’ny vahoaka, fa tsy azo ivalozana ny didy avoakany. Fanaovana ny vahoaka ho tian-kano tsy tian-kano izany. Niraikitra ao an-tsain’ny vahoaka ny amin’ny fitenenany raha hamoaka ny didiny tamin’ny fifidianana izy ny hoe: “Azo raisina fa tsy mitombona”. Mihaino izany ny maro ary mandray ny didy kanefa misy heviny hafa izany aminy. Nanao angoan-tenda ihany koa ny filohan’ny Hcc, rehefa niteny ny amin’ny hoe fitsinjovana izay hahasoa ny firenena no anisan’ny iankinan’ny didy avoakany. Mampieritreritra lalina io hoan’ny mpamakafaka, satria tsy milamina izany raha araka ny fiteny ankehitriny ary mampanahy amin’ny hoavin’ny firenena tamin’ireny famoahana didy nataony ireny. Dia miseho tokoa io nahiana io, izay izao iaraha-mahita sy miaina eto amin’ny firenena izao. Ny manao solomaso mainty sy ireo minia mikimpy mpanasohaso sy mpisolelaka amin’ity fitondrana ity ihany no tsy mahita. Ho an’ny efa mahay mitsinjo ny lavitra, dia efa nahatsikaritra fa hitondra soa ao anaty fotoana fohy monja ihany ny firenena ny didy navoaka, fa hanapotika ny firenena any aorian’izay.

Ny fitondrana efa matetika amin’ny fihetsiny sy ny fepetra raisiny, na asa ataony, no miteraka fivakivakian’ny fiarahamonina sy ny mpiray firenena. Miha-miseho hatrany ary mitombo ny hantsana mampisaraka ny fitondrana sy ny vahoaka. Miha-mamàka lalina ny tsy fifampitokisana eo amin’ny roa tonta. Izao ihany koa anefa manampy trotraka izany ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana amin’ny didy avoakany izay ambarany hatrany fa nolanjalanjaina tsara. Tsy manasitrana fiaraha-monina ny Hcc hatreto, ary tsy mampitraka ny firenena. Iaraha-mahita izany, fa tsy mila porofoina akory, indrindra ho an’izay milaza azy ho mpahay fiarahamonina.

Azo atao ny manao fitsapana amin’ny vahoaka ny amin’ny hoe: firy isan-jato no matoky ny Fitsarana, amin’ny fanatanterahany ny asany madio mangarahara, sy tsy misy idiran’ny politika sy tsindry avy any ambony. Ambany tsotra izao ny taha amin’ny fitokisana azy raha ho an’ny vahoaka mahita sy miaina ny zava-misy isan’andro, fa mby amin’ilay hoe: io aloha no eo…

Miova ny olona notendrena ao amin’ity andrimpanjakana ambony ity ankehitriny. Hitondra inona eo amin’ny fiainam-bahoaka sy ny fiainam-pirenena izany? Hoan’ny mpanara-baovao, dia avy amin’ny fitondrana ihany ireo olona ireo, fa tsy misy ivelany akory. Izany hoe tsy misy avy amin’ny antoko hafa ivelan’ny an’ny fitondrana, ary mainka fa avy amin’ny mpanohitra. Ity farany rahateo efa nilaza mazava fa tsy hiditra ao amin’ny fitondrana mihitsy. Ka tsy mazava ve izany ny ho fizotran’ny raharaha amin’ny hoavy, fa tsy hisy zava-baovao eo. “Volan-kankafotra, ny omaly tsy miova”, ny olona fotsiny no mody miova. Izay ve no antony tsy mampiraika ny vahoaka amin’izy ireo, satria efa izay no ao an-tsainy, ary efa mitoetra tanteraka ny tsy fifampitokisana. Noho ny zavatra hitany sy niainany hatramin’izay no nahatonga izany, ary tsy azo omena tsiny amin’izany izy.