Gadra politika 12 mianadahy – Rariny raha havoaka amin’izay hoy ny Miara-manonja

Helisoa

Na dia saika hanao fiatoana politika aza ny fandaharana MIARA-MANONJA dia tsy afaka ny hipetra-potsiny izahay, hoy ny solombavambahoaka, Me Hanitra Razafimannatsoa, satria tsy mihaino ny mpitondra fanjakàna, fa minia mikimpy manoloana ny zavamisy eto amin’ny firenena ankehitriny. Mirongatra ny valanaretina CORONAVIRUS ary betsaka ireo namoy ny ainy. Tsy hita anefa izay fanapahan-kevitra matotra raisina hatramin’izao. Fanjakàna mihanahana no eto, fa tsy te hampiditra ny vaksiny eto Madagasikara.

Alefaso ny vaksiny hoy ny depiote Fidèle Razara Pierre, sy Me Hanitra Razafimanantsoa, fa miandry izahay mpanohitra anao izany voalohany. Sa hiandry ho ripaka eto ny vahoaka Malagasy vao handray andraikitra ianareo ? Ny CVO sy Cvo+ no hindraindraina ankehitriny, tombontsoa manokana no nokendrena tamin’ireo fanafody lazaina fa mahasitrana sy fanefitry ny COVID. Manapotika ny IMRA ny zavatra nataonareo hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa, satria dia nataonareo fitaovana izy ireo, satria tany amin’ny orinasa iray no nasaina nampangotraka sy nanao azy tamin’ny tavoahangy. Tsy ny orinasa Malagasy IMRA no olana aminay hoy Me Hanitra, fa ny fanaovanareo fitaovana politika azy.

Mbola mandainga ihany ny fanjakàna, lazainy fa zaraina maimaimpoana ny fanafody eny amin’ny CSB 2, tsy izay anefa no zavamisy fa fanafody chloroquine sy vitamine C no eny, ny azytromicine sns… tsy misy. Eny amin’ny faramasia efa miha-tsy misy ny fanafody. Ankehitriny misy ny fanenjehana ny dokotera Edmond Rakotomalala, enjehina amin’ny famoahany fanafody ED1, vavolombelona aho hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa, fa betsaka no sitrana tamin’ny fikarohana nataon’io mpitsabo io. Ny manodidina anay hoy izy, betsaka no sitrana tamin’io. Aza manao izany fa ataovy mitovy daholo ireo raokandro Malagasy marobe raha sahy ianareo. Eto izahay dia mamporisika ny filohan’ny RMDM hanao ny taratasy rehetra hanafaingana ny hidiran’ny vaksiny eto Madagasikara.

Ny 6 aprily izao no hiakatra fitsaràna izy 12 mianadahy nogadraina tsy ara-drariny ny 20 febroary teo noho ny fanaovana akanjo mena. Manainga ny mpitsara izahay hoy ny Miara-manonja, mba tsy hampihemotra ny fotoam-pitsaràna azy ireo. Ampy kosa izay fotoana nitazonana azy ireo izay, satria tsy olo-meloka izy ireo, ka rariny raha mivoaka ny fonja amin’izay.