NY TSY AMPY SOLAITRA

Rehefa mpitondra no tsy ampy solaitra,
Izay mba fanafodiny, tsisy mandaitra!
Tsy mety hahasitrana ny mpianakavy,
Fa resaka foana no tena matavy.

Rehefa mpitondra no tsy ampy solaitra,
Dia tena mandeha amin’ny tsy izy ny zaitra.
Raha toa “pataloha” no komandy mazava,
Ny vita, mampiaiky fa dia “ondan-dava”!

Rehefa “mpitondra” no tsy ampy solaitra,
Dia ny “entina” hatrany no tojo mafaitra.
Tambavy mangidy no heveriny ho mety.
(Nanjavona anefa ny “bonbon sucette”!)

Rehefa mpitondra no tsy ampy solaitra,
Dia indro tavela amin’ny haitraitra.
Tsy « ny mahasoa » vao « ny mahafinaritra »,
Ka rendrany foana toa sakan’i Paritra !

DADAN’i ZINA (27-03-21)