Pr Narison Stephane sy ny AGMM – Pejy iray amin’ny tantara no nivadika tamin’ny fahalasanan-dRatsiraka

Niaina

Manoloana ny fahalasanan’ny filoha Amiraly Didier Ratsiraka, nanao fanambarana ny Pr Narison Stephane sy ny avy amin’ny fikambanana AGMM, na ny Association Gasy Miara-Mandroso.

“Amin’ny anaran’ny tenako manokana, sy amin’ny anaran’ny fikambanana AGMM, maneho fiaraha-miory amin’ny fianakavian’ny Amiraly Ratsiraka, ny fianakaviany, ny akaiky azy, ny mpikambana amin’ny antoko Arema, aho. Tsy mandrakizay tokoa ny fiainana eto an-tany, fa samy handeha hiala eto avokoa na ho ela na ho haingana isika.

Pejy iray amin’ny tantara no nivadika tamin’ny fahalasanan’ny filoha Amiraly Ratsiraka, na dia nankasitraka azy aza aho tamin’izy ministry ny raharaham-bahiny noho ny fahaizany, tsy nankasitraka kosa ny politikany: tsy tena kôminisma, nationalisation à outrance, na fanaovana ho fananam-panjakana ireo orinasa rehetra nisy tamin’izany, fanabeazana tsy tena nandeha tamin’ny tokony ho izy, ka lasa sorona ireo mpianatra, vono olona,… Araka ny fahitako azy, fototry ny olana hatramin’izao ireo.

Ankoatr’izany, mahavariana koa fa olona maro no lasa noho ny olana amin’ny havokavoka, manao antso amin’ny filoha Rajoelina hijery ifotony ny olan’ny covid19, aleo hanao vaksiny izay mila, fa tsy ny CVO+ ihany, izay mbola tsy tena voaporofo ny fiasany. Na ho ela na ho haingana, tsy maintsy hilaina ny passe-port milaza fa efa vita vaksinin’ny coronavirus ny olona iray”, hoy ny fanambarany.