Ady amin’ny covid19 any Mahajanga – Sahirana ireo mpiasan’ny fahasalamana sy ny marary

Niaina

Ady amin’ny valanaretina coronavirus, na covid19 any Mahajanga faritra Boegny, tena sahirana amin’izao fotoana ireo mpiasan’ny fahasalamana. Mpitsabo 2 no mitantara: “dokotera 2 izahay no miaraka manao garde mi-assurer 24h… « internes » no miasa manampy anay.

Benevoles, mbola tsy nahazo ariary daholo no notambazan-dry zareo toerana any aoriana no natao mpitantana, mpamafa trano, tsy misy mpanosika marary fa izahay ihany no sady manosika marary no mitsabo. Tsy misy « infirmière », fa techniciens de labo no nalefan’ny Fanjakana, tsy adaptés na tsy mifanaraka tamin ny formations nomena azy ireo ny zavatra ampanaovina azy, fa manaraka ny baiko midina fotsiny… dia lasa izahay daholo no misahana ny rehetra. Amin’ny 06 Ora hariva vao misakafo atoandro.

Tsara ny trano saingy tsy misy Oxygène, fa voafetra ny isa nefa ny saturation an’ny marary mila mihoatra ny 5 litatra… Tsy misy fandrefesana, tsy ampy koa ny mpiasa,… 1andro sy tapany amin’ny hopitaly dia 1andro sy tapany matory. 3 no mifandimby fa amin’ny 10h maraina ampitso raha aloha indrindra vao afaka. «80 hospitalisés» ato “cas assez graves” daholo… eritrereto hoe raha omena 5min avy fotsiny ireo marary 80 ireo dia efa 400 minitra vao vita ny visite, kanefa mbola mila mihaino azy ireo satria tena efa matahotra be ry zareo… mila ajuster-na ny serum na soloina na ametahana veine, na andefasana fanafody dia lasa 15min ny olona iray dia lasa adiny firy vao vita izy rehetra, tara ny fanafody mazava ho azy, satria vita visite, izay vao afaka manao fangatahana fanafody.

Na poritra « te-hipipi aza tsy afaka satria voafetra ny EPI (Equipement de Protection Individuelle) dia ilay dokotera iray mandray ny consultation sy manao tri et mis en condition an’izay marary mandalo na alefan’ny hopitaly hafa. Na te hisotro rano aza dia mihafy satria sao mipipi lava dia tsy misy EPI isoloana. Mitaraina izahay fa tsy misy gants intsony, lany ny callot, lany ny surchaussures, tsy ampy personnels, tsisy savony, fa ny fanafody atao bons journaliers dia lasa mizara isanandro dia tara be vao tonga, nefa tokony ho tonga homena isaky ny marary iray ny fanafody ilaina rehetra mandritry ny traitement … Efa lasa tsy maintsy misy garde malade mantsy izao satria tsy ho arakay hatramin’ny mamitra maloto sy manome sakafo marary. Fotoana tokony hanaovana recrutement de masse ana aides soignants be dia be sy mpibata marary, sns… izao, satria ilay garde malade rehetra izao lasa ifamonjena indray petahana sérum dia tsaboina koa… dia tsy ho tapitra mihitsy ity tantara ity fa ripaka eto isika…

Hevitra manokana: mila fanampiana ny mpitsabo rehetra, sy ireo olona tsaboina rehetra, raha tsy voasahan’ny Fanjakana manontolo, tena mba mila fiaraha-mientana kosa amin’ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka : na olon-tsotra, na Orinasa, na Fikambanana, na Fiangonana, n’iza n’iza…; mila fanarahamaso hentitra ny fitaovana ampisaina sy ny fanafody sns… rehetra; olana foana matetika ny “Transparence” ny amin’ny resaka dons. Manana vahaolana azo aroso ho amin’izay isika raha tena vonona hanampy ireo namana mpitsabo na ireo marary ihany koa. Ankoatran’ny mpitsabo, maro koa ireo vahoaka tena sahirana mila jerena akaiky amin’izay tokony ho afaka hifanampian’ny Vahoaka tsirairay eny ifotony”.