Misaona ihany koa ny fitsarana – Nodimandry ny mpitsara Andriamihangy Georges Florence

Stefa

Misaona ihany koa amin’izao fotoana ny tontolon’ny fitsarana eto amintsika, ny marimarina koa ny ao amin’ny fitsarana mpandrava didy, na ny Cour de cassation : lavo i ANDRIAMIHANGY Georges Florence.

Namoy ny ainy afak’omaly hariva ny mpitsara ANDRIAMIHANGY Georges Florence, conseiller, na mpanolotsaina ao amin’ny fitsarana mpandrava didy na Cour de cassation, sady mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara na Conseil Supérieur de la Magistrature (CSM). Efa Mpampanoa lalàna tany Toamasina ihany koa izy teo aloha.

Nolazoan’ny aretina izy tamin’ny herinandro lasa iny, ary afak’omaly hariva io no nijanona tampoka ny fony, ka tsy voavonjy intsony. Zanak’i Morondava ity mpitsara.