Kolontsaina sy zava-kanto – Mpanakanto Taa Tense, maty teo am-piterahana

Niaina

Maty teo am-piterahana ny alahady maraina lasa teo ny mpanakanto Taa Tense, na Nathalie Hortense, azo soa aman-tsara kosa nandritra izany ny zaza naterany. Misaona ihany koa arak’izany ny tontolon’ny zava-kanto sy ny kolontsaina eto amintsika. Nandrasana tao amin’ny Kianja mitafo Ankorondrano nandritra ny 2 alina ny nofo mangatsiakanr’i Rajaonarivony Tsizaraina Nathalie Hortense, fantatra amin’ny anarana maha mpanakanto azy, Taa Tense.

Niala teto Antananarivo ny Razana omaly, hamonjy ny fasandrazany any Fandriana. Tsiahivina fa 36 taona i Taa Tense, izay nandao antsika izao, namela vady sy kamboty roa mianadahy.