Filoha Amiraly Ratsiraka – Nalevina ao amin’ny “Mausolée” ny nofo mangatsiakany

Rainilita

Nalevina ao amin’ny Fasan’ny Mahery Fo eny Avaratr’Ambohitsaina (Mausolée), omaly 29 martsa ny nofo mangatsiakan’ny filoha Amiraly Didier Ratsiraka, izany dia araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny fianakaviany sy ny fitondram-panjakana.

Tamin’ny fitondran’i Deba tamin’ny Repoblika faha-2 no nanaovana io Fasan’ny Mahery Fo io. Nialoha izany, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, izay lapa najoro tamin’ny fitondran’ny Amiraly ihany koa no nanaovana ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana ho fialan-tsasatry ny fanahiny. Niala teny Iavoloha avy eo ny razana, nihazo ny Bypass, nandalo an’Ankadindratombo, Mandroseza, Ambanidia, Ankorahotra, Antanimora ary niafara teny Avaratr’Ambohitsaina nametrahana ny nofo mangatsiakany ho any amin’ny mandrakizay. Filoha manam-pahaizana, nametraka ny tantarany eto amin’ny firenena ny Filoha Amiraly Ratsiraka, amin’ny maha-olombelona azy dia nanana ny fahalemeny izy, na izany na tsy izany, dia anisan’ireo olona lehibe sy fanta-daza eto amin’ny firenena sy eran’izao tontolo izao i Deba, tsy ho voakosoky ny tantara.

Ankoatra izany, azo ambara fa misaona toy ny vahoaka Malagasy ihany koa noho ny fodiamandrin’ny filoham-pirenena teo aloha, ny Amiraly Didier Ratsiraka, ny tontolon’ny fanatanjahantena Malagasy amin’ny ankapobeny, indrindra ny tontolon’ny baolina kitra manokana. Fantatra mantsy fa anisan’ny kapiteny nitarika ny ekipan’ny Fortior Club de la Côte Est tany Toamasina izy, tamin’ny fotoanandrony ary anisan’ny nanampy ny tanora sy mpitia baolina kitra teto Antananarivo tamin’ny nanamboarany ny « gradins » ny kianjan’i Mahamasina tamin’ny taona 1977, tamin’ny nikarakarana ny hetsika Mitabe teo amin’io toerana io ary ny mbola nanitarana an’izany « gradins » izany koa tamin’ny taona 1991 nandraisantsika ny Lalaon’ny nosy voalohany teto Madagasikara. Araka ny fantatra ihany dia mbola izy ihany koa no nanana ny tsirin-kevitra nananganana ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina, izay notokanana tamin’ny taona 1997. Lapan’ny kolontsaina maro ihany koa no natsangany tany amin’ny Faritany toy ny Lapan’ny ankizy mpisava lalana tany Toamasina, sy ny Maison de la Culture any Mahajanga, sns…

Mirary fiononana feno ho an’ny vahoaka Malagasy, sy ho an’ny fianakaviana nilaozany ny gazety Ny Valosoa Vaovao. Ho tsaroana foana ny Filoha Amiraly Ratsiraka, teny napetrany ao amin’ny Fasan’ny Mahery Fo rahateo ny hoe: « Izay maty ho an’ny Tanindrazana velona mandrakizay ao am-pon’ny vahoaka ».