Filoha Ravalomanana – Niondrika nanoloana ny nofo mangatsikan’ny Amiraly Ratsiraka

Helisoa

Tonga niondrika am-panajàna nanoloana ny nofo mangatsiakan’ny Filoha, ny Amiraly Didier Ratsiraka ny filoha Marc Ravalomanana, sy ireo mpiara-dia aminy ao amin’ny RMDM (Rodoben’ny Mpanohitra eto Madagasikara) ary ny antoko politika Tiako i Madagasikara (TIM), tao amin’ny chapelle ny HOMI tamin’ny naha teo ambohitra ny razana ny alahady 28 martsa teo.

Nandritra izany no nanambaràn’ny filoha Marc Ravalomanana, fa ny Filoha Didier Ratsiraka dia mijanona ao anatin’ny tantaran’ ny firenentsika : ho “Rain’ ny Repoblika faharoa”. Amin’ ny maha Filoham-pirenena ahy teo aloha ihany koa hoy izy dia tsapako loatra ny vesatry ny adidy sy ny fitiavan-tanindrazana nipetraka tao anatiny, nentiny nikatsahana ny soa ho an’ ny firenena.

Na tsy nitovy aza ny firehan-kevitra teo aminay indraindray dia ny fitiavana ny Nosintsika Madagasikara no niarahana. Mbola mamerina ny teny fampiononana ho an’ny fianakaviana rehetra sy ny antoko politika Arema ary ny vahoaka malagasy ny tenako. Andriamanitra ihany koa hanome fahasalamana ho an’ny vady andefomandriny, Ramatoa Céline Ratsiraka. Hombantsika mandrakariva Andriamanitra ! hoy ny filoha Marc Ravalomanana teny amin’ny Homi Soavinandriana ny alahady alina lasa teo.