Misaona ny serasera sy ny kolontsaina – Lasa i Sammy tao amin’ny Lolo sy ny Tariny

Stefa

Misaona ny tontolon’ny serasera sy ny kolontsaina, lasa any amin’ny vary tsy mifody omaly maraina i, Samuelson Rabenirainy, na Sammy Rabenirainy, mpanakanto sady manam-pahaizana teo amin’ny tontolon’ny serasera tamin’ny fikirakirana feo sy ny haino aman-jery izy. Mpihira sy mpitendry zava-maneno lokanga izy tao amin’ny tarika Lolo sy ny Tariny. Efa talen’ny kabinetran’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina tamin’ny andron’ny ministra Tsilavina Ralaindimby. Tale nandritra ny taona maromaro tao amin’ny ministeran’ny serasera. Tompon’andraikitra tao amin’ny Radio MBS, izy no anisan’ny nanorina ny fandaharana Miara-manonja tao amin’ity onjampeo tsy miankina ity. Mpanofana mpanao gazety maro nanerana ny Nosy teo amin’ny sehatry ny serasera. Araka ny vaovao voaray dia lavon’ny valanaretina coronavirus izy, rehefa notsaboina nandritra ny andro vitsivitsy teny amin’ny Hopitaly Anosiala. Ny gazety Ny Valosoa Vaovao dia mirary fionona feno ho an’ny fianakaviany, mandria am-piadana zokibe Sammy!

Milaza ny mahakasika an’i Sammy ireo tapaka sy namany:

Depiote Me Hanitra Razafimanantsoa: tsy hita intsony izay ambara. Voton’alahelo tanteraka ny fo. Lasa koa i Samuelson Rabenirainy na Sammy Rabenirainy. Mpikambana ao amin’ny tarika “Lolo sy ny tariny” izy sady mpampianatra sy mpikirakira serasera ihany koa.
Misaona ny kanto Malagasy, malahelo isika mpankafy “Lolo sy ny tariny” rehetra. Miondrika am-panajana. Mankahery ny fianakaviany sy ny tarika “Lolo sy ny tariny” ary ny mpankafy rehetra. Samia mitandrina sy mailo fa mamely mafy ny valan’aretina. Samia tahian’ny Tompo.

Ny mpanao gazety Misaina Ralambomahay: malahelo vao maraina ny tena naharay antso fa nodimandry ‘ty namana, zoky, ray aman-dreny ity: Sammy Rabenirainy. Olona tsotra, tsy dia mpiteny betsaka kanefa mahitsy rehefa miteny. Nanampy betsaka ahy izy tamin’ny fikarohana nataoko tamin’ny taona fahatelo ahazoako ny mari-pahaizana licence. Tena manampahaizana, manampahalalana ary manana traikefa be amin’ny tontolon’ny haino aman-jery, indrindra ny onjam-peo: fanoratana sy fanatontosana ary nizara izany tamin’ny maro. Betsaka ihany koa no nahalala azy teo amin’ny tontolon’ny zava-kanto, nihira izy, nitendry ihany koa ary tsy azo iadian-kevitra koa ny fikirakirany ny feo amin’ny alalan’ny vata maro bokatra (table de mixage). Very olomanga ny firenena, ny fiangonana, ny fianakaviana. Tena malahelo ny fo, vahotra ny lela, tsy te hanao na inona na inona kanefa tsy maintsy manaiky. Tsy afaka hanao veloma farany akory. Bye-bye Tonton a!

Ny mpanao gazety Nadia Raonimanalina : tsy mba fanaoko ny toy izao fa eto aho dia tsy hahavita ny tsy hiondrika am-panajana amin’ny fahalasan’i Sammy Rabenirainy, Mr Sammy aminay mpianany tao amin’ny MBS. Ho ahy manokana dia izy no azo lazaina ho nanoro ahy, nampianatra ary nahatonga ahy ho tia ny tontolon’ny haino aman-jery. Ny taona 2001 raha niditra MBS aho dia tao amin’ny MBS radio . Mbola tsy nanana traikefa velively anefa ny asa miandry goavana. Nanofana ahy tamim-pitiavana Mr Sammy ary azo ambara fa isan’ny nitondra vato nahatongavako amin’ny toerana misy ahy amin’izao fotoana, nohon’ ny traikefany, indrindra ny fitiavany mampita fanilo ho an’ireo zandry. Nalahelo Mr Sammy rehefa navadika nanao TV MBS aho satria satriny aho hiaraka aminy tao amin’ny Radio MBS foana. “Manana ho avy amin’io tontolo io ianao Nadia” hoy izy. Feno re ny fo tsy manana ambara afa tsy ny hoe: mankasitraka indrindra Mr Sammy, mandria am-piadanana. Ho tsaroana ny fampianarana nentinao ary ho ampitaina amin’ireo zandry, zanaka. Mankahery anareo fianakaviana.