Valanaretina coronavirus – Famonona vahoaka ny tsy famelana azy hisafidy hanao vaksiny

Sôh’son

Famonoana vahoaka ny tsy famelana azy hisafidy hanao vaksiny. Firenena maro eto amin’izao tontolo izao ankehitriny no efa nisafidy hanao vaksiny fanefitra amin’ny covid19, n any valanaretina coronavirus, anisan’izany ireo firenena Afrikana maromaro. Ny mpanohitra eto amintsika, tarihan’ny filoha Marc Ravalomanana koa dia efa nanambara fa ilaina ny vaksiny amin’ny ady amin’ity fahavalo tsy hita maso ity, toy izany koa ny ao amin’ny Akademia Malagasy: avelao ny olona hisafidy ny zavatra hiarovany tena amin’ity valanaretina ity.

Manao ny andraikiny ny mpanohitra, mijery hatrany ny hahasoa ny vahoaka, rehefa be marenina, sy tsy mety hatoro ny mpitondra. Ankilazan’izany, mitaky fitoniana ny fitondrana ilazàny, fa izay no ahafahana mampandroso ny firenena. Fa iza moa no manakorontana eo? Ny hetsiky ny mpanohitra ve lazaina ho manakorontana? Hadisoan-kevitra izany. Tena manao ny andraikiny aza nympanohitra, fa ny mitazam-potsiny sy ny mangina no tena hadisoany eo anatrehan’ny vahoaka sy ny firenena. Mbola mila miteny mafimafy noho izay nataony aza izy, satria ny vahoaka efa tsy afaka miteny sy maneho hevitra eto amin’ity firenena ity.

Famitahana vahoaka tsotra izao ny filazana fa efa misy ny Antenimierampirenena ho an’ireo solombavambahoaka. Tsy misy mahasolo vava ny vahoaka izany, hoy ny filoha libyana taloha efa nodimandry, ny kolonely Mouammar El Kadhafi. Tsikaritra eto amin’ny firenena izany filazana izany. Misy amin’ireo solombavambahoaka no lasa nambara fa solombavam-pitondrana noho ny fihetsiny sy ny zavatra ambarany ary ny iadiany fo mafy. Soa fa misy ireo mahatsiaro fa mila tsinjovina mandrakariva ireo vahoaka nifidy azy ary tsy azo adinoina ny zony hahafantatra ny marina momba ny raharaham-pirenena.

Tsy mbola nilaza mihitsy ny mpitondra any ivelany efa mandroso lavitra amin’ny demôkrasia, manoloana ny fitakiana ataona sokajy na vondron’olona samihafa, toy ny tany Frantsa, ohatra, ka nambara fa manakorontana tsy mampandroso firenena. Niaraha-nahita sy nandre tsara ny hetsika nataon’ireo miakanjo mavo isan-kerinandro nandritry ny fotoana lava. Nizotra hatrany anefa ny raharaham-pirenena tany an-toerana.

Ny eto amin’ny firenena anefa vao manambana hidina an-dalambe ny vahoaka dia mitsangam-bolo ny mpitondra, sy ny “mpitandro filaminana”. Nodokafan’ny filohan’ny Repoblika ery izy ireo tamin’ny sabotsy alina teo, fa hoe izy ireo no miaro ny demôkrasia. Toa mifanohitra amin’izany anefa ny zavatra hita. Niseho namaritra ny amin’ity teny ity ary ny tenany kanefa tena miendrika fanarontsaronana ny tena hevitr’io teny io. Aoka tsy ho fitahina ny vahoaka. Ny manjo azy aza ity efa mahonena noho ny fiangarana mitranga eo anivon’ny fiaraha-moniny.