Tsy misy azo raisina ny kabarin-dRajoelina

Ny Valosoa

Tsy mbola tratra aoriana isika raha hiresaka ny fisehoana fahitalavitra nataon’Ingahy Filoha Rajoelina tamin’ny Sabotsy 20 Martsa 2021 teo, saika tsy ho resahina ihany ilay izy, satria tsy hita izay tena vetin-dresaka, kanefa rehefa nodinihana dia aleo asian-teny ihany, fa raha toa ka mangina dia ohatran’ny hoe manaiky izay lazainy matoa tsy miteny.

Niandry fatratra ny vahoaka mikasika izay fepetra matotra raisin’ny fitondrana, inona no teo, mbola tsy tapaka ny hevitra amin’ny fanafarana vaksiny, fa mbola ny dokambarotra momba ny Cvo+ no nalentika tao andohan’ny vahoaka, ho mahomby hono, menatra ny vava tsy ambina tamin’ny nitabatabana fa tsy mila vaksiny dia nohalefahana tamin’ny resaka fakana hevitry ny Akademian’ireo mpitsabo sy mpikaroka ny fanapahan-kevitra.
Vahaolana hitan’ny filoha momba ny fitaterana dia hoe olona 1 ihany no eo aloha miaraka amin’ny mpamily, izay fepetra tsy dia mitombina loatra, satria ny ao aoriana aza tsy voahaja ny elanelana 1 metatra.

Ingahy filoha dia mpandray an-tendrony satria raha niteny ny Filoha Ravalomanana tamin’ny taon-dasa nanao hoe: tsy tokony hatao andrana amin’ny vaksiny ny vahoaka malagasy, tsy i Dada irery no niteny an’izany, fa maro ireo olo-malaza taty Afrika no tsy nanaiky ny anaovan’ny afrikanina ho bitro voalavo , ankehitriny efa miova ny toe-draharaha, efa maro ny andrana vita tamin’ireo karazam-baksiny mivoaka, noho izany efa tokony hirosoana amin’izay ny fanafaram-baksiny, dia mbola tara herintaona ny fisainan-dRajoelina sady ny hitsikera ny Filoha Ravalomanana hatrany no masaka ao andohany, fa tsy izay mahasoa ny malagasy, ka mbola resaka fanarabiana toy ny hoe, ny mpanohitra hono no atao vaksiny voalohany.

Mikasika ny fihibohana , dia tsy haverina intsony hono, fa hamafisina ireo fepetra sakana ary tsy maintsy asisika hatrany ny resaka cvo+, ny fepetra mba novaina dia ny fampitokana-monina indray an’i Mahajanga sy Nosibe, izay niteraka fahasahiranana ho an’ny mponina avy amin’ireo faritra ireo, satria maro no very asa, tsy ny mpitatitra ihany, fa hatramin’ireo trano fisakafoana sy ireo mpanjono andranomasina, ny fitondrana anefa tsy nandroso vahaolana amin’ny fitsinjovana ireo tra-pahavoazana.

Mikasika ilay volamena 73,5 kg tratra tany Afrika Atsimo, dia miala ilany fotsiny Ingahy filoha, ny nambaran’ny Filoha Ratsiraka tamin’ny Zoma 19 Martsa 2021 tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray dia efa tena mazava, satria mahagaga hoy ny Filoha Ratsiraka, ireo mpanamory voasambotra ary fantatra ny tompon’ny fiaramanidina kanefa tsy fantatra ny tompon’ny volamena, Ingahy filoha indray dia sahy nanitrikitrika fa tsy maintsy tafody eto Madagasikara hono ny volamena.

Momba ny vatsimpianaran’ny mpianatra dia nambaran’Ingahy Filoha, fa hisy hono ny fomba vaovao , dia ireny niara-nahita teny Ankatso ireny ny nanjo ireo mpianatra , tsy nisy ny fijerena ny mahaolona ary tsy voahaja tanteraka ny fepetra ara-pahasalamana.
Kabary zato, teny arivo fa ny azo amehezana ny fanambaran’Ingahy Filoha Rajoelina dia kabary poakaty, tsy misy azo raisina sady resaka tsy misy mitombina ary fiheverana ny malagasy ho bado, ka tsy ahatakatra, fa tsy izay mahasoa ny vahoaka no mahamaika ny fitondrana, f’izay hanenjehana ny Filoha Ravalomanana no atao laharampahamehana.