Mamely ny valanaretina coronavirus – Hiverina hihiboka ny any Mahajanga anio

Stefa

Mamely mafy ny valanaretina coronavirus amin’izao fotoana any Mahajanga faritra Boeny, noho izay antony izay, hiverina hihiboka ny any Mahajanga anio, araka ny fanambarana nataon’ny CRCO any an-toerana.

Fepetra mihàtra ao anatin’ny faritra Boeny hanomboka anio talata 23 martsa amin’ny 6 ora maraina, ka hatramin’ny talata 6 aprily 2021:
-tsy maintsy manaja ny hetsika sakana ny rehetra.
-Mikatona ny fitaterana rehetra mampitohy an’i Mahajanga. — Nametrahana barrage sécuritaire ao Andranofasika raha toa ka barrage sanitaire no ao Ambondromamy.
-Tsy mianatra ny mpianatra hanomboka anio, mandritra ny 15 andro, ireo toeram-panofanana sy fanaovana cours.
-Mirava amin’ny 4 ora tolakandro ny mpiasa rehetra na miankina na tsia.
-Tsy misy afaka mivezivezy aorian’ny amin’ny 10 ora alina (22h) any Mahajanga na olona na fiara, moto, bajaj, sns…
-Tsy afaka mamory olona mihoatra ny 200.
-Ny fiangonana afaka misokatra, fa tsy mihoatra ny 200 ny mpiangona.
-Ny fifaninanana ara-panatanjahatena : tsy azo atrehana
-Ny restaurant sy bar: mikatona amin’ny 9 ora alina ( 21h) avokoa.
-Mikatona avokoa ny toerana filanonana rehetra.
-Mikatona ny plage sy piscine.
-Tsy maintsy manao désinfection, handrarahana fanafody ny fiara rehetra isaky ny 72 ora.
-Noferana ho 2 ny olona entin’ny bajaj, iray ankoatra ny mpamily.
-Noferana ho 3/4 kosa ny mpandeha sambo sy vedette.
-Taxi be : tsy mampiasa strapontin sy tsy manao taingibe.
-Ny fiara rejionaly: 3 isaky ny seza ireo fiara mini-bus, raha 4 ny sprinter.
-Ny fitondrana razana tsy maintsy maka alalana manokana, raha misy tranga covid19 dia tsy maintsy alevina any ihany.
-Ny bazary rehetra misokatra ihany.
-Ny fahazon-dalana manokana tsy misy.
-Ny fanidina ny sisin-tany dia 15 andro.