Fiainana mpanao politika – Tsy levon’ny vavonin’i Deba mihitsy Ravalo

Ny Valosoa

Miverimberina matetika ny resaka hoe adin’olon-droa hono no misy eto Madagasikara, dia ny adin’ny Filoha Ravalomanana sy ny Filoha ankehitriny Rajoelina, dia izany hatrany no voizin’ireo mitonona ho mpamakafaka politika sy mpandinika fiarahamonina ankehitriny.

Ny tanjon’ireny mpanao drindrangilo ireny dia ny hampitovy an’i Dada sy i Zandrikely, izay tsy azo ampitoviana velively, satria filoha voafidimbahoaka ara-dalàna ny Filoha Ravalomanana tamin’ny taona 2002 sy 2007, fa i Rajoelina kosa nanongampanjakana tamin’ny 2009 ary voafidy tamin’ny lisi-pifidianana feno hosoka tamin’ny 2018, ka raha ampilaharina izy roa tonta dia tsy hitovy mihitsy, fa ny tanjon’ireo midradradradra ny fampitoviana dia ny hampihen-danja ny Filoha Ravalomanana sy hampiaka-danja an-dRajoelina.

Aoka tsy ho hadinoina fa ny Filoha Ravalomanana no nampisy ny fampiasana ny vatam-pifidianana mangarahara, sy ny ranomainty tsy azo kosehina ahosotra amin’ny tanan’izay vao avy nandatsabato, ary ny fitondrana tetezamita notarihan-dRajoelina kosa no nampanao voalohany ny biletà tokana nanamora ny halabato.

Ny zava-nitranga tamin’ny herinandro lasa teo dia manaporofo fa saribakoly sy vatom-panorona ihany i Andry Rajoelina, fa i Ratsiraka sy ireo nanapotika ny firenena niaraka taminy no misintona ny tady sy manisaka ilay vatom-panorona. I Deba no asaina misava lalana amin’ny fahitalavitra avy eo dia miteny amin’izay ny zavatra tsy fantany akory i Zandrikely, mamaly ireo fanontaniana efa voaomana. Resaka fepetra momba ny koronaviriosy no nandrasan’ny vahoaka taminy, kanefa dia tsy nisy fanapahan-kevitra matotra na ny momba ny vaksiny na ny fihibohana, fa dia dokambarotra momba ilay Cvo+, izay nolazainy fa fampiasan’ny vehivavy tonga fadimbolana no betsaka.

I Deba moa dia fanaratsiana tsy mitombina an-dRavalo no efa fanaony, dia mody mitsikera an’i Zandrikely, avy eo dia niampanga indray ny efa maty ho namono ny Kolonely Ratsimandrava, fa naninona fony mbola velona ilay olona tsy navoaka ny “marina”, fa nandrasana ho faty ilay noampangaina, amin’izay dia tsy afaka hiteny intsony hiaro tena, fandatsana ny maty no dikan’izany fihetsik’i Deba izany ary olona roa samy efa maty no indray voalatsa.

Ny vahoaka malagasy tsy bado akory na dondrona araka ny filazan’ilay tomponandraikitra iray, fa mahay mihaino sy mijery ary mahafantatra ny mpandainga sy ny milaza ny marina, ka manomboka izao dia mazava ny sary araka ny fitenin-jatovo, fa tsy ”adva” afaka milahatra amin-dRavalo i Zandrikely, satria tsy tompon-kevitra amin’izay ataony izy, fa fitaovana fotsiny ihany manatanteraka ny baikon-dry Ratsiraka sy ry Ratsirahonana ihany.