Baolina kitra any Ethiopia rahampitso – Vonon-kandresy ny malagasy, alefa Barea !

Rainilita

Vonon-kandresy ny malagasy amin’ny lalao baolina kitra fifanintsanana amin’ny Can 2022 hatao rahampitso any Ethiopia eo amin’i Madagasikara, ny Barean’i Madagasikara, sy ny ekipam-pirenena Ethiopiana.

Alefa Barea hoy ny rehetra, amin’io lalao hatao rahampitso io. Mahakasika ny ekipam-pirenena Malagasy, niovaova ny zava-misy teo amin’ny lisitry ny Barea hiatrika ny lalao hifanandrinany amin’ny ekipam-pirenen’i Ethiopie sy ny ekipam-pirenen’i Niger, eo amin’ny fifanintsanana hahazoana miatrika ny CAN Cameroun 2022, amin’ny alarobia 24 martsa 2021 sy amin’ny talata 30 martsa 2021 ho avy izao. Raha nambarantsika teto amin’ny gazety Ny Valosoa tamin’ny sabotsy 20 martsa lasa teo, fa ho avy ihany any Ethiopie i Jeremy Morel sy i Mathyas Randriamamy dia fantatra izao, fa ity farany ihany no tafiditra ao anaty lisitra farany navoakan’ny mpanazatra Nicolas Dupuis tamin’ny faran’ny herinandro lasa teo.

Hita koa fa tafiditra ao anatin’ity lisitra vaovao ity ny anaran’ireo mpilalao izay nilaza ampahibemaso, fa tsy ho afaka hamonjy ny Barea amin’ireto lalao farany ireto. Araka ny vaovao farany dia efa tonga any Ethiopie avokoa ankehitriny ireo mpilalaon’ny Barea ao anatin’io lisitra vaovao miisa 30 io.