Depiote Randrianasolo Nicolas – Tokony hahay hihaino ny mpitondra

Niaina

Milaza ny heviny momba ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana ny depiote voafidy tany Betroka, faritra Anôsy Randrianasolo Nicolas. Nilaza ity mpanao politika ity fa: “tsy tia Tanindrazana ny mpanao politika”. Nanambara koa izy ho an’ny mpitondra, fa tsara ny mampanantena, tsara ny manao velirano, … tsy ampy izany, fa ilana ny fitiavan-tanindrazana ny fitantanana…

“Tsy tia Tanindrazana ny mpanao politika eto amintsika. Izay mandresy dia manenjika ny resy, ka managadra sy mandefa azy ireny any amponja. Tsara ny manorina ny fotodrafitr’asa kanefa ny olona noana ve ho afaka hilalao na hanao baolina kitra? Ny olona noana ve ho afaka ny hifantoka any an-tsekoly? Tokony hahay hihaino ny mpitondra, satria Tanindrazana iaraha-manana ity Madagasikara ity. Mila fitonian-tsaina ny vahoaka Malagasy”, hoy ity olom-boafidy avy any amin’ny tapany atsimon’i Madagasikara ity.